Taratra

Hajo Andrianainarivelo : “Ilaina hajaina ny tany tan-dalàna”

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianari­narivelo Hajo, fa tsy afaka hamela an’i Madagasiraka ohatra izao intsony isika satria tafiditra anaty fahasahiranana mafy ny firenena. “Anisan’ny antony miteraka izany ny fahitana fa tsy voahaja ny lalàna. Tsy misy intsony ny fatahorana an’Andriamananitra. Lasa mandainga sy mamorona ary mahavita ny mamitaka ny mpiray […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy misy lalana ankoatra ny fifidianana”

Nitondra fanazavana manoloana ny raharaham-pirenena ny praiminisitra Ntsay Christian ny faran’ny herinandro teo, teny Ivato. Anisan’izany ny hiatrehana ny fifidianana. “Tsy misy lalana ankoatra ny fifidianana. Tsy ekena izany Teteza­mita vaovao hitondra ao ana­tin’ny roa taona izany. Mazava ny lalana hizorantsika: fanajantsika ny lalàna velona eto Madagasikara. Mandala an’ izany […]

Boriborintany faha-IV : hisitraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana

Eo amin’ny fokontany Angarangarana Mandrango­bato II, ao amin’ny boriborintany faha-IV indray ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra, amin’ny alalan’ny sam­pan-draharahan’ny fahasalamana. Hanomboka ra­hampitso hatramin’ny zoma izany. Tolotra ara-pahasalamana maro no ho hita sy afaka sitrahin’ny mponina eny an-toerana. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, hisy koa ny fitiliana […]

INDRAY MIJERY

Hotanterahina eo amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny alakamisy 28 septambra izao, ny fampirantiana ireo karazana asa, mifandraika sy mifanentana amin’ireo olona manana fahasembanana. Miaraka ho amin’ny asa mampiaty sy maharitra… lohahevitra amin’ izany. Mbola maro ireo orinasa tsy mandray olona manana fahasembanana eto Madagasikara. Nihaona tamin’ny minisitry ny Mponina ny […]

Aretina Alzheimer : ireo fambara 10 tokony hahamailo

Ny alakamisy izao no Andro maneran-tany ho an’ny aretina Alzheimer. Nampahafantatra ireo fambara 10 tokony hahamailo mikasika ity aretina ity indray ny fikambanana Masoandro Mody, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny Iray volan’ny fampahafantarana ny aretina rahateo. Tsy zotram-pivoaran’ny fahanterana velively ny aretina Alzheimer raha ny fanazavana ka mila manatona dokotera […]