Nitondra fanazavana ny momba ireo raharaha eny amin’ny fitsarana sy ny fampidirana am-ponja mpanao politika ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo. Nambarany, natao ho an’ny rehetra ny lalàna. “Rehefa misy olona mandika lalàna, tsy mijery izay fiaviany ny fitsarana. Iharan’ny lalàna rehefa mandika izany. Efa zatra loatra isika hoe tsy […]
Taratra
TSELATRA
Lehilahy iray hitan’ny zandarimariam-pirenena avy amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny nanosika moto teny an-toerana, ny alin’ny 31 mey hifoha 01 jona 2026 teo. Nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana ity lehilahy ity. Nazerany ny moto rehefa nahita ireo zandary izy ary lasa nitsoaka. Nentina eny anivon’ny biraon’ny zandary ilay moto miandry ny tompony. Zazalahy […]
Toamasina : Manao ranolava ny fanafihana mitam-piadiana
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny renivohitr’i Betsimisaraka sy ny manodidina, tato anatin’ny volana vitsy, taorian’ny rivondoza Gezani. Anisan’ izany, ny fanafihana mitam-piadiana sy ny fandrobana ary ny asa fanendahana. Trano fandraisam- bahiny iray ao Ambolomadinika, parisela 21/32, indray no norobain’ny jiolahy miisa 10 ny alin’ ny alahady hifoha alatsinainy […]
66 taonan’ny fahaleovantena : Nosokafana tamin’ny fananganan-tsaina
Nosokafana omaly, tetsy amin’ny Parvis Analakely, ny fankalazana ny faha-66 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Natomboka tamin’ny fananganan-tsaina, teo anatrehan’ny manam-pahefana ambony, sivily sy miaramila, mpanolotsaina ambony eo anivon’ ny governemanta, ny Praiminisitra ary ny solontenan’ny antokom-pivavahana izany. Nitohy tamin’ny kabary isan-karazany avy eo. Nampiavaka ny hetsika […]
Ankorondrano : Mpanao taxi-moto nokendain’ny jiolahy
Mpanao taxi-moto iray indray lasibatra tetsy Ankorondrano ka tratra ireo nahavanon-doza, ny 30 mey teo. Nokendain’ny jiolahy roa tamin’ny alalan’ny kibay, ny mpanao taxi-moto iray teny Ankorondrano, ny sabotsy 30 mey teo. Niala teo Analakely io Taxi-moto io ary nitondra olona hihazo an’ Ankorondrano. Roa lahy no nentin’ilay mpanao taxi-moto […]





