Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Arena Ivandry, ny seho sehatra ho an’ny tanora ato anatin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, atao eto Madagasikara, ity. Telo andro no nanatanterahina ny hetsika saingy feno firaisan-kina sy firahalahiana tokoa ny fifandraisan’ireo tanora mpandray anjara. Niray feo ireo tanora nanambara fa tombony lehibe […]
Taratra
Atletisma: noporofoin’i Sidonie ny maha andrarezina azy
Na tsy salama aza i Sidonie Fiadanantsoa, mbola norombahiny ny medaly volamena teo amin’ny 100 m misy fefy, vehivavy, taranja atletisma. Andro faharoa notanterahina omaly alarobia, tetsy amin’ny kianja Alarobia. Tontosany, tao anatin’ny 13 s 14 ampahazatony izany. Nifampitady hatrany am-piaingana izy sy ilay rénionais, i Esther Conde Turpin, tonga […]
Volley : nandresy ny Réunionais ny Malagasy
Nangotraka ny fifaninanana volley, teny amin’ny kianja mitafon’Ankatso, omaly. Nampitsanga-mitoetra ny lalaon’i Madagasikara sy La Réunion, indrindra ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Seta 3 no ho 1 no nandresen’ny ekipa malagasy ny Réunionais, rehefa samy niady mafy ny ekipa roa tonta. Azon’ny Malagasy ny seta voalohany, 25-19, nitsimbadika anefa ny […]
Taranja tenisy: nampian-dRanaivo Mialy iray ny medaly volamena
Nafana tanteraka ny lalao famaranana, lalao ho an’olon-tokana “simple”, lahy sy vavy tetsy Ambohidahy, omaly. Lasan’i La Réunion ny volamena teo amin’ny sokajy lehilahy, raha toa ka azon’i Madagasikara izany ho an’ny vehivavy. Notanterahina tetsy amin’ny Acsa Ambohidahy, omaly 30 aogositra, ny lalao famaranana ho an’ny taranja tenisy ho an’olon-tokana […]
Sombim-baovao
Hifanandrina anio, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, i Comores sy i Madagasikara, taranja baolina kitra. Manasa-dalana amin’ny lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11, ity atao ity. Ny Barea de Madagascar, efa fantatra fa tsy afaka mampilalao an’i Fabien Boyer, Malagasy vodilaharana noho ny resaka “accréditation” roa. Naharitra ora 3 sy 30 […]




