Mialohan’ny nitondrana ny razana ho any an-tanindrazany. Natao veloma farany tetsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha ny nofo mangatsiakan-dRasamimanana Rochel na i « Petit ». Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina. Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Kianjan’ ny hiragasy Ampefiloha ny fanaovam-beloma farany ny nofo mangatsiakan-dRasamimanana Rochel na Ra-Petit, filohan’ny Federasion’ny mpihiragasy eto Madagasikara. Fotoana nanambaran-dRakotondrazafy Lalatiana, minisitry […]
Taratra
Fahavitana fianarana hatramin’ny farany : safidin’ny ankizy afaka bakalorea ny oniversite tsy miankina
Manana ny fomba fijeriny mikasika ny tontolon’ny fampianarana ambony amin’izao fotoana izao ireo ankizy vao afaka fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity, raha nanaovana fanadihadiana. Misafidy ny handranto fianarana eny anivon’ny oniversite tsy miankina ny ankamaroan’izy ireo. “Manimba ny sain’ny ankizy sy ny hoaviny ary ny fotoanan’ ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ny fitokonana sy ireo olana samihafa eny amin’ny oniversiten’Ankatso”, hoy i Sahondraniaina, mpianatra afaka bakalorea, Serie […]
VAOVAO TAMBATRA
Tsy foana tanteraka ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Manodidina ny amin’ny 10 ora alina izany hatramin’ny 2 ora maraina. Maharitra adiny roa eo ho eo ny faharetany. Misy koa ny fahatapahana madinika mandritra ny atoandro sy ny tolakandro. Tonga any amin’ny Tangoron-tendrombohitr’i Makay ilay mpitety tanàna sy vohitra, […]
Indostria : vonona hanampy an’i Madagasikara ny SFI
Noraisin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, afakomaly, teny Ambohidahy i Amadou Labara, tomponandraikitry ny “Société financière internationale” (IFC) sy ny ekipany. Niarahaba ny minisitra tamin’ny zava-bitany sy ireo fanamby mbola hapetrany ity tomponandraikitra ity. Nilaza izy fa vonona hanome tolo-tanana ho amin’izany […]
Doka miabo
Raha mijery ny zava-misy eto Madagasikara isika, toa tsy misy raha manjary izany. Sahala amin’ny hoe dia mainty avokoa izay jerena. Mena mampatahotra daholo ny famantarana eny amin’ny fiarahamonina. Mahakivy sy mahavery fanahy mbola velona ny fizotry ny raharaham-pirenena. Tsy ampy intsony ny teny hilazana ny faharefoana amin’ny lafiny […]




