Tontosa omaly, teny amin’ ny kianja Vontovorona ny fiadiana ny medaly volamena, teo amin’ny «tir de précision», fifaninanana mitifitra eo amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy sy vehivavy. Ratsy ny vokatra ho an’ny Malagasy, tsy nisy azon’izy ireo ny medaly volamena, tamin’ity. Teo amin’ny vehivavy, resin’ilay Réunionaise, Isabelle Riviere, teo […]
Taratra
Lalaon’ny nosy: Medaly volamena 83, volafotsy 50, alimo 61 ho an’i Madagasikara
Miditra amin’ny andro faha-7 anio, ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Mbola mitarika eo amin’ny laharana voalohany vonjimaika hatramin’izao i Madagasikara amin’ny fahazoana medaly. Tafakatra 83 ny medaly volamena azon’ny Malagasy, taorian’ny andro faha-6, omaly. 50 ny medaly volafotsy ary 61 kosa ny medaly alimo. Mbola eo amin’ny laharana voalohany hatrany […]
TARATRY ny KANTO
Atrikefa bagasy volana septambra. Amin’ny sabotsy 2 septambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ao amin’ny efitrano malalaky ny IKM Antsahavola ny fotoana. Fifanakalozana traikefa sy karoka momba ny tantaran’ny bagasy sy ireo mpamoron-kira sangany. Eo koa ny sehatra malalaka ahazoan’ny mpivory mandray anjara amin’ny hira. « Festival Temps […]
Fitsaboana nentim-paharazana : mila ampiharina ny lalàna efa misy
Nanatanteraka fivoriambe fanao isan-taona tetsy Anosy, ireo fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara (ANTM), omaly. Nifampitaona ny solontenan’izy ireo araka ny talentany avy. Toy ny mpanotra, mpampiteraka, mpanao hasoavan-jaza, mpampiasa ravinkazo, mpanao ody may… Efa nisy mpitsabo nentim-paharazana 3- 5 isam-pokontany nanerana an’i Madagasikara, raha ny fitsirihana nataon’ny OMS tamin’ny taona […]
« Festival Karitaka 2023» : andiany faha-13 ny hetsika
Tontosaina any Ranohira, nanomboka ny 29 aogositra 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 2 septambra 2023, ny “Festival Karitaka 2023”, andiany faha-13. Araka izany anarany izany, ny “Karitaky” no tena hisongadina amin’ity hetsika lehibe ity. Ahitana seho ara-kolontsaina sy zava-kanto maro mampiavaka iny faritra Atsimo iny koa ny hetsika. […]




