Taratra

Harem-bakoka : 9% ihany no aty Afrika

Tontosa ny fampiharana ny fifanarahana momba ny fiarovana ny harem-bakoka ara-kolontsaina sy ara-boajanahary iombonan’izao tontolo izao. Hatramin’izao anefa, tsy mbola manana ny lanjany aty Afrika izy ireny. Tokana aman-tany ny harem-bakoka ara-ko­lontsaina sy ara-javaboahary Afrikanina satria ivon’ny maha olombelona. Ma­namarika ny asa nosahanin’ny olona sy ny riba niainana tao anatin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Tonga tany Mananjary sy Vohilava ny tomponandraikitry ny Banky foiben’i Madagasikara sy ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny 17 sy ny 18 aogositra teo. Nihaona tamin’ny manampahe­fana any an-toerana, ny orinasa iray mpitrandraka volamena, ny mpanangona sy mpanivana, izy ireo. Tanjona ny hananganana ny Tahirim-bolamena ao amin’ny BFM. Mandray ny […]

Fiompiana trondro : harindra amin’ny haitao ara-kajy mirindra

Hiara-hiasa ny fanjakana malagasy sy ny governemanta Indoniezianina amin’ny fampiroboroboana ny fiompiana anaty rano. Misy ny tetikasa “WaterHub” sy ny “Jala” nifaovan’ny fanjakana roa tonta sonia, tetsy Ivandry, nandritra ny fivoriana faha-8n’ireo tomponandraikitra ambony mi­vondrona ao anatin’ny AIS FORUM, omaly. Fitaovana fi­tsinjarana rano fisotro madio eny amin’ny toerana natokana ho […]

Fanjifana : mihaliana amin’ny taozavatra ny Malagasy

Fotoana maha maro ny mpizahatany ny fialantsasatra lehibe toy izao. Nambaran’i Mbintantsoa, mpitondra tenin’ny Fikambanan’ny Art Malagasy Miray (AMM) etsy amin’ny tsena Pochard, fa niavaka ny tamin’ity taona 2023 ity, taorian’ny krizy Covid ny taona 2020 hatramin’ny 2022 teo. Nisy fivoa­rana ny mpanjifa, satria manomboka liana amin’ny zava-bita malagasy isika. […]

Asa tanana : mbola vitsy ny vahiny mpividy

Tsy araka ny tena nantenaina! Anisan’ny tena niomana fatratra ny hamaroan’ny mpanjifa amin’izao fisian’ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (JIOI) izao ireo mpivarotra asa tanana sy taozavatra malagasy, etsy amin’ny tsena Pochard Soarano. Nilaza ny mpitondra tenin’ ny fikambanan’ny Art Malagasy miray (AMM), Mbintantsoa, fa efa ela niandrasana ity […]