Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo olona 13, voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra taolam-paty tao Soavinandriana. Voasambotry ny miaramila DSS 12 Tamponala, tao Trondromainty, fokontany Miaramasoandro, kaominina ambanivohitr’i Tamponala, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly ireto jiolahy ireto. Nifanome tanana tamin’ireo miaramila mpampandry tany ny zandary avy ao amin’ny […]
Taratra
Fahafatesan’i Olivier: tsy nety handray ny razana ny fianakaviany
Maty nisy namono tao Antetezambaro, ny alahady maraina teo, i Olivier Sonina. Namonjy alim-pandihizana tao amin’ ny fokontany Analamalotra, kaominina ambanivohitr’Antetezambaro, Toamasina II, izy. Somary nisy fifamaliana taman’olona izy tao amin’ity trano fandihizana ity. Nisy nahatsikaritra izy naratra mafy hita tao ambany tetezan’Ivoloina. Mbola nisy aina izy ka niezaka niantso […]
Fanafihana eny Itaosy : folo lahy, mampihorohoro !
Nasesin’ny jiolahy miisa folo ny tokantrano telo teny Itaosy, ny alahady alina. Voaroba ny vola an-tapitrisany. Nitondra basy ny olon-dratsy. Mandry andriran’antsy ireo manana tsena. Nampihorohoro ny tompon-tsena notafihany, norobain’ny jiolahy folo lahy ny vola 2 tapitrisa mahery tao amin’ny fokontany Marobiby, kaominina Fiombonana – Itaosy, ny alin’ny alahady teo. […]
Tale jeneralin’ny Bianco: “Tokony hoterem-panahy handa kolikoly ny tsirairay”
Nidina ifotony tany Sambava ny tale jeneralin’ny Bianco nampahatsiahy ny andraikitry ny tsirairay amin’ny ady amin’ny kolikoly. Fampahatsiahivana ireo andraikitry ny tsirairay amin’ny ady amin’ny kolikoly, fijerena ifotony ny fizotran’ny ady amin’ny kolikoly any anivon’ny faritra, fanentanana ny rehetra hiatrika ny ady amin’ny kolikoly… Ireo no vontoatin’ny fidinana ifotony nataon’ny tale jeneralin’ny […]
Fanehoana firaisan-kina: namondrona ny heriny ny zanak’Isandra
Ho filamatra eo amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana ny distrikan’Isandra. Nisongadina izany tamin’ny hetsika nataon’izy ireo, ny herinandro teo, tao Isorana. Niaiky ireo mpitarika ny amin’ny fahapotehan’ny fihavanana sy ny firaisan-kina. “Azo averina manomboka amin’ny tsirairay ary miitatra hatrany amin’ny firenena izany”, hoy izy ireo. Anisan’izany ny fanabeazana sy ny […]




