Namoaka fanambarana ny fikambanana Zanaka Antanala (Zanta), afakomaly, fa tsy manao politika, tsy manolotra sy tsy manohana olona hirotsa-kofidina amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Izay no maha fikambanana tsotra sy amin’ny maha fikambanan-drazana azy, izay ikambanan’ny distrika roa, Ikongo sy Ifanadiana. Koa lavin’ny fikambanana ny fampiasana ny anarany amin’ny fanolorana […]
Taratra
Fitavozavozan’ny fikarakarana dosie. : handraisan’ny HCC fepetra ireo sampandraharaham-panjakana
Hentitra ny fampitandreman’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, omaly, teny Ambohidahy, manoloana ny fitarainan’ireo kandidà. « Horaisina ny fepetra sy ny andraikitra amin’ireo sampandraharaham-panjakana mandray sy mikarakara ireo antontan-taratasin’ireo kandidà kanefa mitavozavoza », hoy izy. Anisan’ny notanisainy tamin’izany ny eo anivon’ny fandoavan-ketra (211 bis), ny tahirimbolam-panjakana amin’ny fandraisana ny anto-bolan’ireo kandidà (Tresor), ny […]
Valalabe mandry
Somary mangingina ny tontolo politika. Takon’ny lalaon’ny Nosy. Misoko miadana nefa ny dinika karakarain’ny raiamandreny am-panahy, mitady ny fomba hilaminan’ny firenena. Mandeha tsikelikely koa ny kajikajy any ambadiky ny lampihazo. Ny tompom-pahefana, mitety faritra. Ny mpifaninana efa samy misomebiseby any amin’ ny misy azy any avokoa. Tsy misy mampikoropaka […]
Fihaonambem-pirenena : hametraka paikady amin’ny fifidianana ny Andrimaso FFKM
Nanomboka omaly, ny andro voalohany amin’ny fihaonambem-pirenena karakarain’ny FFKM. Nohazavain’izy ireo ny anton’izany sy ny fandaharam-potoana. Nambaran’ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina, Andriamahazosoa Irako fa natao ny fihaonambem-pirenena mba hahafahana mametraka amin’ny toerany ny Andrimaso FFKM. « Handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana anaty fahamarinana isika ka omena aina vao sy natsangana ny […]
TSELATRA
Zazavavy telo volana narian-dreniny an-kolaka teny Ambohimamory-Itaosy, omaly. Napetrany tamin’ ny zazavavy 12 taona io zanany io. Nilaza hiantsena vetivety izy kinanjo tsy niverina intsony. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary ao an-toerana rehefa naharay fampandrenesana. Fiara nanitsaka olona iray nifandrimbonan’ny fokonolona nosakanana tetsy Anosizato, omaly. Nikasa handositra niaraka […]




