Sakana ho an’ny fampiroboroboana ny orinasa sy ny fandraharahana ny fihisaran’ny toekarena, ny olana amin’ny fahatapahan’ny herinaratra ary ny toe-draharaha politika eto amintsika. Mijanona ho fanambin’ireo mpitantana orinasa ny fampiroboroboana ny fandraharahana na teo aza ny olana nosedrainy nandritra ny enim-bolana farany teo. Antony mahatonga izany ny tsy fivoaran’ny toekarena, […]
Taratra
TSELATRA
Voasambotry ny mpitandro filaminana, omaly, ilay tovolahy nandaka ka nahatorana teo no ho eo lehilahy iray teny Ambohipo, ny 25 desambra lasa teo. Vatan-dehilahy maromaro samy nidaroka ilay lasibatra saingy io voasambotra io no nandaka teo amin’ny tendan’ny lasibatra ka antony nitarika ny tsy fahatsiarovany tena tamin’ny fotoana nahavoa azy. […]
Fetin’ny Noely : Olona 4 namoy ny ainy
Nitombo ny antontanisan’ireo olona tonga nanatona ny hopitaly CHUJRA, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely, raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, raha ny tatitra voaray. 4 ireo olona maty nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely 2024, 2 ivelan’ny hopitaly, ny roa kosa teo anivon’io hopitaly io, omaly. Nahatratra 237 ny isan’ireo […]
Nangalatra “vedette rapide” : Dimy voasambotra, roa karohina
Vehivavy iray, lehilahy efatra mpangalatra “vedette rapide” na lakana haingam-pandeha misy motera niara-voasambotry ny mpitandro filaminana tao Anjagnozano, kaominina Bemaneviky Andrefana, distrikan’Ambanja, afakomaly. Matetika itrangana halatra ataon’ny olon-dratsy ireo lakana misy motera fampiasan’ny mponina ao an-toerana. Sambo iray very tao Antanandavo, Nosy Be. Nanao hetsika manokana hanatrarana ireo olon-dratsy mangalatra […]
Hopitaly CHU Toamasina : Norobain’ny jiolahy ny toeram-pandoavam-bola
Jiolahy roa lahy nitondra antsibe, niditra an-keriny tao amin’ny toeram-pandraisam-bola eo anivon’ny Hopitaly Be Toamasina, omaly. 60 tapitrisa Ar voaroba, loharanom-baovao hafa nilaza fa tsy nahazo na inona na inona ny mpandroba. Nidirana jiolahy roa lahy mitondra antsibe ny ivontoerana fandoavam-bola, CHU Analankininina Hopitaly Be Toamasina, omaly tolakandro. Nivimbina sakaosy […]