Taratra

Fanjarian-tsakafo: hatao tena fihariana ny fiompiana fa tsy vadin’asa

Seha-pihariana afaka mitondra fampandrosoana ny fiompiana. Ilaina ny fanatsarana ny rojo-pihariana miainga any amin’ny famokarana miafara any amin’ny lalam-barotra. Manana anjara lehibe amin’ny fanjarian-tsakafo ny sehatry ny fiompiana. Nambaran’ny minisitry ny Fiompiana (Minel), Randrianomenjanahary Riana Nantenaina, ny alakamisy teo, nandritra ny fanokafana ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena, ny fiompiana […]

Fantina sy fintina

 Noraisin’ny praiminisitra Belza, Bart De Wever, ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, ny 10 septambra teo, amin’izao diany any Belzika izao. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Belzika ny fihaonana. Anisan’ izany ny eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana sy ny fampiasam-bola.  Nametraka fitoriana noho ny fahazoan’ny […]

Valala an-karona indray !

Mahavariana ny mpanao politika, tsy miova mihitsy ny fomba fanao. Ny nataon’ireo rehetra nifandimby ihany no miverina. Tsy mahagaga anefa izany satria ny mpitarika sy ny mpitondra no miova. Ny mpiantsehatra ve? Mpanao politika mahay mihofo sy manaraka ny volontany. Tsy misy resaka etika sy fahatokanam-po eo. Tena henjana amin’ny […]

Vovonana Tantana: mampivondrona ny ben’ny Tanàna

Vovonana iray manohana ny Fanavaozana sy ny Kly Randrianirina Michaël ny “Plateforme Tantana” tarihin-dRakotoniaina Justin. Na­tsangana mba hanome sehatra ireo mpitarika, manana traikefa isan-karazany, hoenti-mampandroso an’i Mada­ga­sikara. Herintaona aty aorian’ny nitolomana, mampivondrona ny ankolafin-kery rehetra ny vovonana. Anisan’izany ny ben’ny Tanàna. Vonona ny hiara-hiasa sy hanamora ny fananganana ny Firaisan­kinan’ny […]

Fiaraha-miasa iraisam-pirenena: hanohana ny fifidianana ny Vondrona eoropeanina

Noraisin’ny filoha lefitry ny kaomisionin’ny Vondrona eoropeanina (UE), Kaja Kallas, afakomaly, tao Bruxelles, ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Voaresaka ny fiaraha-miasa marolafy, indrindra ny lafiny politika. «Vonona hanohana sy hanampy amin’ny fifidianana izahay », hoy ity tomponandraikitra ambony eo anivon’ny UE ity. Nohamafisin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika izany ka nilazany […]