Taratra

Tselatra

Lehilahy telo mpivarotra rongony voasambotry ny polisy tao Miakadaza, kaominina Imerintsiatosika, afakomaly. Nosavaina, nahatrarana fonosana rongony efa voatsinjara teny amin’izy telo lahy. Nogiazana ireo zava-mahadomelina ary natolotra ny fampanoavana izy ireo. Mpanendaka miisa efatra saron’ny polisy tao amin’ny fokontany Tsararano, kaominina Mahajanga, afakomaly. Ikoizana amin’ny asa ratsy amin’ny fokontany manodidina […]

Anosipatrana: mpangalatra moto voatora-bato

Nandositra nikasa hiampita ny ranon’Ikopa, voasambotry ny fokonolona ka natolotra ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray mpangalatra moto teny Anosipatrana, omaly maraina. Moto an’olon-tsotra napetraka teo amin’ny toerana voatokana sady andoavam-bola ity nokasain’ny olon-dratsy hangalarina ity. Tsy nampoiziny, niverina tampoka ny tompon’ny moto. Nahita ny fihetsik’ity olon-dratsy ity izy. Nandositra […]

Zom-pirenen’ny filoha teo aloha: mitory an-dRajoelina Andry ny eo anivon’ny Primatiora

Nametraka fitoriana mahakasika ny zom-pirenen’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, eny amin’ny Pac ny eo anivon’ny Primatiora. “Manomboka ny fanadihadiana mahakasika izany”, hoy ny Tonia mpampanoa lalàna ambony, Manjany Bienvenu. Hanomboka ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha zom-pirenen’ny filoha teo aloha, Ra­joelina Andry. Nipetraka ho mpitory amin’izany ny fitaleavana misahana ny […]

Progrès Iarinarivo: nahazo efitrano sekoly 4 fanampiny

Notokanana, tamin’ity herinandro ity, ny efitrano vaovao 4 ao amin’ny sekoly Progrès ao amin’ny kaominina Iarinarivo. Fiaraha-miasa amin’ny ONG Sekoly Masoandro no nahafahana nanao izany, araka ny fanazavan’ny proviseur Ramananirina Beby Rollande. Mamaha ny 80% ny olan’ny sekoly ny fahavitan’ny fotodrafitrasa. Afaka mandray mpianatra hatrany amin’ny 600 izy ireo amin’izao […]

Fanamafisana ny rafi-pahasalamana: hiara-hiasa i Madagasikara sy Etazonia

Natsangana ny 22 desambra 2025 ny komity mpitantana misahana ny fanatanterahana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Etazonia eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Notante­rahina omaly ny fivorian’izy ireo voalohany izay mifantoka amin’ny famaritana ireo laharam-pahamehana sy ireo hetsika tokony horaisina hanamafisana hatrany ny rafi-pahasalamana eto Madagasi­kara. Haharitra dimy taona ny […]