Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Voahosotra ho tompondakan’ny “Coupe de la Ligue Vakinankaratra”, taranja basikety, ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra sy ny COSPB Analamanga. Fifa­ninanana notontosaina tany Antsirabe, ny 3 sy 4 mey lasa teo, tao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy. Laharana faharoa kosa ny Ankaratra Vakinankaratra sy ny Ascut Atsinanana. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny […]

Kick -“Fight Night”: Nahazo medaly volamena i Tojo

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany La Réunion, ny katrok’ady “Fight Night”, taranja kick-boxing. Nanana solontena telo lahy i Madagasikara, izay nalefan’ny Lion Force, nahitana an-dRandriatsiresy Tojoniaina, sokajy latsaky ny 60 kg. Izy izay nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny “combat ceinture” rehefa nandavo ilay teratany renioney, i Refesse Quentin. […]

Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara : Lasan’i Zigle sy ny UBM ny lelavola 2 tapitrisa Ar

Lasan’ny ekipan’ny UBM Analamanga ny amboaran’i Madagasikara teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy “senior”, lehilahy. Mbola noporofoin’i Zigle sy i Tianakely indray ny maha andrarezina azy ireo. Lasan-dry zalahy ny lelavola 2 tapitrisa Ar sy ny amboaran’ny klioba. Tontosa soa aman-tsara tany Antsirabe, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny […]

Olan’ny fahatapahan-jiro : Tsy tokony hitombina eto Madagasikara

«Tsy tokony ho olan’i Ma­dagasikara ny mahakasika ny tsy fahampian’ny angovo sy ny delestazy. Antony, fahatelo aty afrika isika amin’ny fananana ireo loharanom-pamokarana herinaratra. Manampy an’izay, manana ny angovo azo avy amin’ny herin’ny Ma­soandro sy ny rivotra i Mada­gasikara. Mbola manana isika ireo akora ilaina, mpamokatra ny angovo avy any […]

Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena : Homen’ny Bet 261, Zato tapitrisa Ar isan-taona

Notanterahina omaly ma­raina, teny amin’ny Hotel Colbert Antanina­re­nina, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny orinasa Bet 261 sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Voarakitra anatin’izany fifanarahana izany ny fanomezana vola 100 tapitrisa Ar isan-taona ho an’ity farany. Vola izay natokana indrindra hanampiana ny mpanao fanatanjahantena sy hampivelarana ny tanora malagasy. Nitarika […]