Hiova ny rafi-pampianarana manomboka amin’ity taona ity. Mangataka ny haenomrana izany ny sekoly tsy miankina. Tampoka loatra ny fanovana, araka ny nambaran’izy ireo. Nanatitra taratasy teny amin’ny Dren Analamanga, Nanisana, omaly, ireo fivondronan’ny sekoly tsy miankina eto Analamanga, nahitana ny sekoly FJKM, ny Katolika, ny FLM ary ny Anglikana sy […]
Taratra
Namono pasitera: naiditra am-ponja ireo mpianaka voarohirohy
Niakatra teny anivon’ny fampanoavana, ao Tsiroanomandidy, omaly, ireo mpianaka (raim-pianakaviana sy ny zanany lahy) voarohirohy ho namono nahafaty pasitera iray tany an-toerana, ny alatsinainy teo. Naiditra vonjimaika eny am-ponja avokoa, taorian’ny fihainoan’ny mpitsara azy, izy mianaka. Famonoana olona sy firaisana tsikombakomba ny loham-piampangana hanenjehana azy ireo. Voasambotry ny polisy avy […]
SNPS 2024-2030: hamafisina ny fiahiana ara-tsosialy mampiaty
Hametraka ny Paikady nasionaly momba ny fiahiana ara-tsosialy (SNPS) ho an’ny taona 2024-2030 ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ ny Mponina sy ny fiahiana sosialy. Mifototra amin’ny fanatanterahana ireo fandaharanasam-panjakana sy fandrindrana ireo rafitra fiahiana ara-tsosialy izany. Mikendry ny hampiroboroboana sy hanamafisana ny fiahiana sy ny faharetan’ny mponina marefo manoloana ny […]
Robotex any Korea Atsimo: miantso tolo-tanana ny ekipa Karoka
Hisolo tena an’i Madagasikara ny ekipa Karoka mandritra ny Festival iraisam-pirenena momba ny robotika “Robotex”. Hotanterahina any Songdo Convensia, Incheon, Korea Atsimo, ny 20 novambra hatramin’ny 2 desambra ho avy izao, izany. “Maze Solving” no sokajy hifaninanan’ ny ekipa Karoka. Fifaninanana robot hanivatsiva lalana ahafahana ho tonga amin’ny toerana iray […]
Sombim-baovao
Nanasongadina ny “Ambaniala” ny “Hakanto Night” andiany faharoa. Tontosa ny alin’ny zoma teo ity hetsika ity, tetsy amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Naneho ny tadidy sy ny endrika manodidina ny Fifohazana i Emilie Andriamahefa, tamin’ny alalan’ireo sanganasany naseho. Notakarina tamin’ireo saripikan’i Pierrot Men, manodidina indrindra ilay fampirantiana “Fofon’Aina”, mmba ny Fifohazana […]




