Nivoaka iny ny tetiandrom-pifidianana. Lasa izao… Tsy azo ihodivirana intsony ny raharaha? Ny miatrika sy mandroso no mety. Haninona na hitaky inona indray ny mpanohitra? Izay mitranga sy atao rehetra, saika tsy mety amin-dry zareo avokoa. Izay ve no hoe manohitra? Mitsikera, manaratsy, manakorontana, mandrava aza. Tsy hita izay mety […]
Taratra
Fanafoanana delestazy: hotsaraina afaka telo herinandro ny minisitra
Niaiky ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fandaharana manokana, omaly, tamin’ny TVM/RNM fa mijaly sy mikaikaika noho ny delestazy ny vahoaka. Nampitandrina ny minisitry ny Angovo ny tenany ka manome telo herinandro, hitondrana vahaolana. Anisan’ny nitondrany fanazavana ny momba ny olan’ny Jirama. “Tsy maintsy ahitana vahaoalana izany ka tsy hisy delestazy […]
TSELATRA
Maty notirifin’ireo jiolahy tao an-tranony eny Antsahabe Ambatomirahavavy, ny asabotsy hariva teo ny zandary iray. Jiolahy telo nirongo basy mahery vaika no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Nofatoran’ireo olon-dratsy kosa ny vady aman-janany. Finday telo sy vola 60 000Ar ary peratra volamena anefa no nalain’ireo jiolahy. Taorian’ny fikarohana, jiolahy roa no efa […]
Mandraka: tratra ireo jiolahy mpangalatra vy amin’ny pylone-n’ny Jirama
Tratra, ny sabotsy teo ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra vy tamin’ny pylone faha-82 mitondra ny herinaratra mahery vaika avy ao Mandraka mihazo ny foibem-pihaonan’ny tambajotram-pifandraisana ao Ambohimanambola. Tazonina anaovana famotorana ao amin’ ny borigadin’ny zandary ao Ambohimanambola ireto jiolahy ireto. Hatolotra ny fampanoavana kosa izy ireo aorian’ny […]
Nikasa hanafika : maty voatifitry ny zandary i Bilidogy
Ravan’ny zandary ny fanafihana mitam-piadiana nokasaina jiolahy hotanterahina tao Analamiranga, fokontany Ambohipihaonana, kaominina Tamponala, distrika Miarinarivo, ny 12 jolay teo. Nivezivezy teny amin’io fokontany io ry Bilidogy sy ny namany. Tsikaritry ny fokonolona anefa ireto olon-dratsy ireto. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ireo tompon-tanàna. Raikitra ny vela-pandrika. Vokany, voasambotra […]




