Naiditra am-ponja vonjimaika ny teratany kaomorianina roa, voarohirohy ho tompon’antoka tamina fikasana hanondrana an-tsokosoko zazamenavava hihazo ny Nosy Comores. Olona enina izy no ao anatin’ity tambajotrana mpanao trafikana zazakely ity. Nahasambotra azy ireo ny polisy miasa ao amin’ny “service central des enquêtes spécialisées”, Anosy. Ny 1 jolay lasa teo, saika […]
Taratra
Mpampandro jiolahy: voasambotra i Rasta, mpilalao ody ratsy
Tra-tehaky ny zandary teny Ankadikely Ilafy i Rasta. Sady mpilalao no mpamatsy ody ratsy ny jiolahy eto an-drenivohitra. Mpidoroka sy mpivarotra zava-mahadomelina koa. Ela nikarohana azy ny mpitandro filaminana. Voasambotra tao an-tranony, teny Ambohibe, kaominina Ankadikely Ilafy, i Rasta,ny zoma lasa teo. Natolotra ny fampanoavana ny ampitso ihany. Nidoboka am-ponja avy hatrany afakomaly. […]
Kitra – Fosa vs As Fanalamanga : ho fantatra rahampitso ny Tompondakan’ny OPL
Hiady ny amboaraben’ny “Orange Pro League” (OPL), taranja baolina kitra, ny Fosa Junior Boeny sy ny AS Fanalamanga Alaotra Mangoro. Lalao hotanterahina rahampitso, amin’ny 2 ora tolakandro, etsy Mahamasina. Marihina fa lelavola 15 tapitrisa Ariary no homena ny mpandresy amin’ izany. Ho fantatra amin’io fotoana io, ny solontena Malagasy amin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Alefa any amin’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CAF), amin’ny alatsinainy ho avy izao, ny anaran’ireo ekipa roa hisolo tena an’i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Afrika. Ho fantatra rahampitso izay ho tompondaka. Ho tontosaina, anio sabotsy sy rahampitso alahady, eny amin’ny kianja PAC Ampitatafika ny […]
Volley – JIOI 2023 : nanome 2 tapitrisa Ar ny minisitra mpiahy
Tsy mitazam-potsiny ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ny minisitra mpiahy, ho an’ny taranja Volley-ball. Lelavola 2 tapitrisa Ar no natolotry ny minisitry ny Rano sy Fanadiovana ary Fidiovana ny ekipam-pirenena. Solon’ny saran-dalana ity natolotra ity satria mbola fanazarantena “libre” no tanterahin’ny federasiona amin’izao. Anisan’ny minisitera mpiahy ity FMVB […]




