Niharana fanafihana mitam-piadiana ny lehilahy iray mitazona Cash point tetsy Andraharo, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora. Hiditra hiasa maraina toy ny mahazatra izy no nisy lehilahy miisa dimy, nirongo fitaovam-piadiana nanambana azy tamin’ny basy sy antsy. Nosintomin’izy ireo, tamin’izany, ny kitapo iray feno vola mitentina 8 tapitrisa Ariary, […]
Taratra
Mamo mitondra moto sy fiara : Tafakatra 40 mahery ireo namoy ny ainy
Mampirongatra ny lozam-pifamoivoizana ny hamamoana. Mahatratra 40 mahery ireo maty teto Analamanga, tao anatin’ny dimy volana. Hidina ifotony, hanamafy ny fisorohana izany, ny polisy. Tafakatra 40 mahery ireo olona namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teto amin’ny Faritra Analamanga, nanomboka ny volana janoary 2026 hatramin’ity volana mey ity, raha ny […]
AfricanZ Dance : Manasongadina an’i Madagasikara
Hitondra ny traikefany any Alençon-Normandie, France, ny Malagasy mivondrona ao amin’ny “Alliance AfricanZ Madagascar”, izay manao ny “ AfricanZ Dance”, ny 20 jona izao. Tanjona amin’ny fandefasana ireo mpahay dihy voafantina ireo ny hampiofana ireo mpikambana liana any an-toerana sy te ho lasa matihanina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ka afaka mitarika […]
Rallye Motul : Hirefy 72 km ny dingana manokana (ES)
Hotanterahina ny zoma 29 sy ny sabotsy 30 mai ho avy izao ny Rallye Motul. Dingana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena. Hikarakara ity hetsika ity ny klioba FMMSAM. 129, 240 km ny halaviran’ity rallye ity ary misy dingana manokana (ES) 8, izay mirefy 72 km. Anisan’ny lava indrindra ny eo Anjeva mihazo […]
Fifanintsanana Can 2027 ; Iray vondrona amin’i Nizeria ny Barea
Tontosa omaly, tany Le Caire, Egypta, ny antsapaka ahafantarana ny anaran’ireo firenena miray vondrona amin’ny fifanintsanana Can 2027. Hiara-kiady ny tapakila tokana, i Madagasikara, i Nizeria ary i Guinée Bissau. Efa tafita kosa i Tanzanie. “Fito taona aty aoriana!” Miray vondrona « L » amin’ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara ny Super Eagles […]





