Taratra

Chorale Orimbato Ambatonakanga: Hamelona ireo hira fahizay ao Andafiavaratra

Hira sy soradihy tamin’ny andron’ny faha mpanjaka. Nanamarika ny vanim-potoana nidiran’ny fivavahana kristianina ihany koa no halahatry ny Orimbato avy ao Ambatonakanga, eny Andafiavaratra. Hetsika ara-pinoana, ara-kolontsaina ary mivoy ny tantara. Izay no tanjona amin’ny kaonseritra miavaka izay hotontosain’ny Chorale Orimbato Ambatona­kanga, ny zoma 5 jona izao, manomboka amin’ny 7 […]

Aero Expo eny Ivato: Fampisehoana ny tontolo ana habakabaka

Hatao ny 30 sy 31 mey ho avy izao, eny amin’ny Von­dron-tafika Helikoptera Ivato, ny hetsika goavana manodidina ny tontolo ana habakabaka, “Aero Expo 2026”. Andiany faharoa ity hetsika ity, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny Tafika ana habakabaka malagasy. Anisan’ny mpiara-mio­mbon’antoka manohana azy manokana ny orinasa Yas […]

Spat Toamasina : Nampiakarina ho 5 000 ny zana-kazo nambolena

Eo anelanelan’ny 1 500 hatramin’ny 2 500 isan-taona ny zana-kazo ambolen’ny orinasa Spat (Société du port à gestion autonome de Toamasina), mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Mitsinjara roa ny toerana hanatanterahina izany, any amin’ny Faritra arovana Ivoloina sy any Brickaville. Karazana hazoala sy zanatany no hambolena. Manodidina ny 50 hatramin’ny 80 ny mpiasa […]

Varotra eto Afrika : Hatsangana ny komitim-pirenena ho an’ny Zlecaf

Hanampy an’i Madagasikara hamolavola paikady sy hitrandraka ny tsena afrikanina ny fametrahana ny komity hanara-maso ny Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf). Ivondronan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ity vondrona ity. Manomana ny fidirana ao anatin’ny Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf) i Madagasika. Natao omaly, ny […]

FANTINA sy FINTINA

Handinika ny raharaham-pirenena koa ireo taranaky ny andriana, avy amin’ny faritra samihafa. Manatanteraka fikaonandoha eto Antananarivo izy ireo, amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa mivondrona anivon’ny « Fédération des communautés royales traditionnelles coutumières culturelles de Madagascar – FCRTM » izy ireo. Miantso ny Tafika ho tony amin’ny andraikitra sahanina mandrakariva eto amin’ny firenena […]