Manomboka misongadina eny amin’ny fiarahamonin’ny Malagasy ny fahasimbana sy ny fahapotehina. Maro loatra ireo tranga heveriny fa bitika ka nohamaivaniny. Ireny no misoko miadana ka manimba ny maha olona, mamotika ny soatoavina, sns. Mbola mahazo vahana eto Madagasikara, ohatra, ny fanomezana anarana vahiny ny zaza vao teraka. Ny fametrahana sy […]
Taratra
Sokitra vita amin’ny vy : Nodimandry i Sylvain Subervie
Teratany vahiny izy, saingy nanokana ny ampaham-piainany teto Madagasikara. Nodimandry i Sylvain Subervie, mpanao sokitra vita amin’ny vy, fanta-daza maneran-tany. Anarana nanamarika ny tontolon’ny zavakanto, indrindra ny sokitra teto Madagasikara. Nampahafantarin’ny fianakaviany, omaly, fa nodimandry teo amin’ny faha-75 taonany i Sylvain Subervie. Mpanakanto teratany vahiny, mpanao sokitra vita amin’ny vy […]
VAOVAO TAMBATRA
Niray hina nanome fanampiana ny traboina any Toamasina ny mpiasan’ny Fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny any Atsinanana sy ny mpikambana anaty Sendikan’ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny harena ambanin’ny tany. Fitaovana, toy ny ordinatera, fanaovana printy, kojakoja birao, sns. Eo koa, ny fanampiana sakafo, toy ny vary sy menaka, miampy lelavola. […]
Zezika tain-dramanavy : Nanorenana ozinina ao Toliara II
Notokanan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, ny orinasa fanodinana ny tain-dramanavy ho lasa zezika, ao Ankilifolo, kaominina Belalanda, distrika Toliara II. Hanala ny tantsaha amin’ny fahasahiranany, indrindra ny any Atsimo Andrefana, ity tetikasa ity. Satria, lafo ny vidin’ny zezika, izay 4 000 Ar ny kilao, ka […]
Vokatry ny rivodoza : Ahina ny hisian’ny mosary
Tandidomin-doza tanteraka ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo taorian’ny fandalovan’ny rivodoza. “Ahina ny hisian’ny mosary noho ny fahasimban’ny vokatra rehetra any an-toerana, kely ihany koa ny vola miditra isan-tokantrano ka hampihena ny toekarena”, hoy ny mpandraharaha, Mandraina Frédéric, anisan’ireo rava trano. Notohizany fa mety hitranga afaka telo volana izany noho ny […]




