Taratra

Mampikony : tratra i Goralahy mpaka an-keriny

Tratra ihany! Nokarohina nanomboka ny taona 2017, voasambotry ny zandary tao amin’ny distrikan’i Mampi­ko­ny i Goralahy, dahalo mpaka an-keriny. Lehiben’ny dahalo mpanao io asa ratsy io mihitsy izy raha ny fanazavan’ny zandary. Nitondra takaitra tamin’ny fakana an-keriny nataony niaraka tamin’ireo namany ny tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampa­simatera. Nitory teny anivon’ny […]

Nanafika Cash Point : jiolahy iray maty voatifitry ny zandary

Lasan’ny jiolahy ny vola 2 800 000Ar tao amina Cash Point iray niharan’ny fanafihana tao Amboniavaratra Tsiroanomandidy, afakomaly. Rotiky ny balan’ny zandary ny jiolahy iray avy nanafika Cash Point tao amin’ny fokontany Amboniavaratra, kaominina Ambararatabe, distrikan’i Tsiroanoman­didy, afakomaly tolakandro. Lasany nandritra ny fanafihana ny vola mitentina 2 800 000Ar. Nisy afaka niantso ny zandary […]

Lalao iraisam-pirenena : hanomboka ny fampivondronana ireo mpikatroka Judo

Lalao iraisam-pirenena 3 no miandry ny federasiona malagasin’ny judo ato anatin’ny telo volana. Ahitana ny lalaon’ny Nosy sy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao eto Madagasikara ary ny “Jeux de la Francopho­nie”. Ho fanomanana, hiditra amin’ny fampivondronana ny judokas ny FMJ. Hanomboka amin’ny faran’ny herinandro izany. Mandritra izay no […]

Basikety N1B (L) : mandravarava ny Cosfa sy ny ASB

Hiditra amin’ny andro fahadimy, anio, ny fifaninanana nasionaly N1B, sokajy lehilahy, taranja basikety, tontosaina any Morondava. Efa manomboka hita soritra ireo ekipa misongadina tao anatin’izay efatr’andro izay. Ho an’ny omaly, nandravarava tanteraka ny ekipan’ny Cosfa Analamanga, nanoloana ny Blac Atsinanana. Isa mavesatra 82 no ho 29 no nisarahan’ny roa tonta […]