Taratra

Vondrona Panorama : “Tsy mila Tetezamita ny fanemorana fifidianana”

“Tsy Tetezamita io fa fifanarahana politika. Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika. Nefa isika mila fifidianana madio sy mangarahara. Ho tratra ve izay? Ho tratra izay raha hahemotra kely ny fifidianana. Tsy mila Tetezamita izany.” Io ny fanazavan’ny mpandrindra nasionalin’ny vondrona Panorama, Randrianirina Jean-Ignace. Tsy mila ravana ny an­drimpanjakana, fa hatokisan’ny […]

Madagasikara sy Rosia : hifantoka kokoa amin’ny toekarena ny fiaraha-miasa

Nankalazaina ny taona 2022 ny faha-50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’i Madagasikara sy i Rosia. Samy resy lahatra ny hanohizana ny fiaraha-miasa ny firenena roa tonta ary mitondra vokatsoa ho an’ny sehatra maro izany. Omena lanja bebe kokoa ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta ny lafiny fiarenana ara-toekarena, taorian’ny zava-nisy […]

Fiatrehana ny fifidianana : miantso ny tsy hifampihantsiana ny HCC

Nandray ny iraka manokana avy amin’ny Frankofonia (OIF), tonga eto amintsika ny eo anivon’ny HCC, omaly, tetsy Ambohidahy. Voaresaka ny hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity. Nambaran’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent sady nanafatrafarany fa aleo atrehina ny fifidianana. “Aoka atsahatra ny fifampihantsiana sy ny fanompana na koa fanivaivana atao any […]

Fanatsarana ny tontolon’ny asa : niaiky ny paikadin’ny filoha Rajoelina ny OIT

Nanokatra ny lahatenin’ny filoha Rajoelina tamin’ny fi­ha­o­nana an-tampony any Ge­nè­ve ny tale jeneralin’ny OIT, Gilbert F. Houngbo, omaly. Niaiky ny tenany raha nilaza nanoloana ireo mpivory fa fakan-tahaka ho an’ny rehetra ny politikan’ny asa eto amintsika. “Anisan’ny lohalaharana eo amin’ny fampiroboroboana ny asa mendrika tao anatin’ny taona maro ianao andriamatoa […]