Andro vitsy mialoha ny hankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena sy ny politikan’i Madagasikara, andao mba hiresaka momba ny fahaleovantenan’ny tsirairay. Miainga amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona sy ny tokantrano ary ny fiarahamonina no maha firenena ny firenena. Inona anefa no teboka tokony horesahina ? Valiny : tsy misy afa-tsy ny tsy fiankinan-doha momba ny toekarena […]
Taratra
Dahalo mpaka an-keriny : mafy ny fifandonana, rotiky ny bala i Lemainty
Maty voatifitra ny dahalo raindahiny naman’i Yarisy, dahalo mpaka an-keriny tao Anjozorobe. Nokarohin’ny zandary hatry ny ela, maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana i Lemainty, dahalo ikoizana. Mpiara-miasa tamin’i Yarisy, mpangalatr’omby ary mpaka an-keriny tao amin’ny distrikan’ Anjozorobe izy ireo. Nokarohina nandritra ny telo taona i Lemainty io. […]
Nivoaka ny trano ny mpitaiza… : tovovavy 11 taona niharan’ny fanolanana
Lehilahy iray 19 taona karohin’ny mpitandro filaminana taorian’ny fanolanana nihatra tamin’ny zazavavy 11 taona, tao amin’ny Fokontany Moramanga ambony, distrikan’i Moramanga, ny zoma 9 jona teo. Tsikaritr’io lehilahy io fa nivoaka ny trano ilay mpitaiza io zazavavy io, niditra mangingina tao an-trano ilay mpanolana. “Reraka avy nijery fahitalavitra aho ka […]
Nitifitra olona : dahalo raindahiny nidoboka am-ponja
Nidoboka am-ponja, ny zoma 9 jona teo, ilay mpangalatr’omby sady mpamono olona iray ikoizana tao amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana taorian’ny fampanoavana. Dahalo raindahiny, efa namono olona tamin’ny alalan’ny basy izy, ny 29 aogositra 2019. Namoy ny ainy tamin’izany ny lehilahy lehibe iray 60 taona. Nokarohina, tsy hita ity dahalo ity. Niala tao […]
Naiditra am-ponja… : tratra ireo mpanao trafika sy mpidoroka rôrô
Naiditra am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny tambajotra mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (rôrô). Tratran’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina teny amin’ny faritra Ankorondrano, afakomaly ireo olona dimy voarohirohy tamin’ity raharaha fivarotana sy fidorohana ary firaisana tsikombakomba amin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina ity. Angom-baovao no nahafahan’ny polisy nandeha […]




