Taratra

Solonomenjanahary Malalaniaina Hoby Eva: “Mila jerena ny vahaolana maharitra amin’ny fiainam-bahoaka”

Ao anatin’ny fahasahiranana lalina ny vahoaka amin’izao. Inona no hatao? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Groupe artistique évangélique Fenoantsa Itaosy (GAEFI) ao amin’ny Fiangonana fifohazam-panahy Moria Bemasoandro Itaosy, i Solonomenjanahary Malalaniaina Hoby Eva: “Mila jerena misimisy kokoa ny fiainam-bahoaka sy ny vahaolana maharitra amin’izay fiainam-bahoaka izay.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): […]

Kolontsaina sy fanabeazana : miha mahazo laka ny teatra ifarimbonana

Tontosa, omaly, tao amin’ ny kaominina an-dRenivohitra Mananjary, ny fampisehoana “Soava lala”, tantara an-tsehatra sy teatra ifarimbonana. Ny ONG Tokontany iraisana no mpikarakara ny hetsika. Tan­jona ny hanaovana ny kolontsaina sy ny zavakanto ho fitaovana ahafahana mampita fanabeazana sy fahala­lana. Fahombiazana no azo tamin’ny fampiasana ny teatra ifarimbonana, nandritra ny […]

28 taona taorian’ny nahamay azy… : ho azo tsidihin’ny besinimaro amin’izay ny Rovan’i Madagasikara

Nampanantenaina fa tsy maintsy ho vita ny Rovan’An­tananarivo. Nohamafisin’ny filohan’ny Repoblika izany nandritra ny lanonana fanombohana ny famitana ny asa, ny volana avrily 2019. Nambara tamin’ny fomba ofisialy ihany koa fa lasa Rovan’i Madaga­sikara no hiantsoana ity harem-bakoka ity, satria manamarika ny tantaran’ny Nosy manontolo izany. Vita soa aman-tsara ny […]

Tarika : Filah, Zana-Rotsy, ’Lay : hahazo laka ny « accoustique »

Tarika Filah, tarika Zana-Rotsy ary ny tarika ’Lay. Efa nisy ny fotoana nifandimbiasana sy niarahana teny an-tsehatra. Izao mitohy amin’ny alalan’ny « Cabaret accoustique » izao izany. Seho ho­tanterahina ao amin’ny An­nexe Le Zoma Antaninandro, ny sabotsy 1 jolay izao, ma­nomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Araka io lohateniny io, hahazo […]

Fifaninanana «Théâtre en rire »: miezaka midina eny ifotony ny tomponandraikitra

Manana vina ny hampiroborobo ny zavakanto sy ny kolontsaina ny tomponandraikitra amin’izany eto amin’ny Tanànan’Antananarivo. Izany no nanaovana izao hetsika izao, hanentanana ny vahoaka eny ifotony, indrindra ny ankizy sy ny tanora. Tontosa, omaly, teny amin’ny Tranom­poko­nolona Analakely, ny fifaninanana « Théâtre en rire ». Hetsika nokarakarain’ ny fitaleavana misahana ny zavakanto […]