Taratra

Fahamailoana amin’ny fifidianana : hatsangana eny ifotony ny Andrimaso FFKM

Mailo tanteraka. Anisan’ ny nivoitra tamin’ny fihaonambem-paritry ny FFKM ho an’ny tao Antsirabe, ny herinandro teo, ny fiainam-pirenena. Voaresaka manokana ny momba ny hiatre-hana ny fifidianana. “Nifam­pidinika sy nifanakalo hevitra momba izany ireo mpizaika ary samy nitady va­haolana mba hametrahana fitoniana sy filaminana ho amin’izany fizotran’ny fifidianana izany. Tapaka fa […]

Baomiavotse Raharinirina : kaominina telo nizarana jiro

Tanteraka ny fampanantenana. Nanolotra jiro ho an’ny mponina any Imady Ala, fony minisitry ny Ton­tolo iainana, Raharinirina Baomiavotse Vahinala. Na izany aza, nisy kaominina vitsivitsy any an-toerana tsy mbola nisitraka izany. “Tsy maintsy homena ireo kaominina ireo. Tsy hisy toerana hatao zanak’Ikalahafa araka ny toromariky ny filoha Ra­joelina ny amin’ny […]

Jeneraly Serge Gellé: “Tsy mety ny mifampikasikasi-tanana “

Nitondra ny heviny, manoloana ny tranga niseho tany Morondava, niainga amin’ny fihetsiky ny depiote iray, ny faran’ny herinandro teo, ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana. Mazava ny nambaran’izy ireo tamin’izany. “Izaho manokana, tsy mety amiko ny mi­fampikasikasi-tanana. Misy antony ao, matoa misy ireny”, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria-pirenena, ny Jly […]

Rahantanirina Lalao : “Manohitra befahatany ny mpanohitra”

“Manohitra befahatany fotsiny ny mpanohitra”, hoy ny sekretera nasionalin’ny TGV, Mahajanga, sady filoha lefitry ny Antenimierampire­nena, Rahantanirina Lalao. Nitondrany fanamarinana ny ataon’ny mpanohitra sasany, ankehitriny. Misy mpanohitra miteny fa tsy maintsy miteny izy ireo, fa indraindray menatra raha hilaza fa manao izao fitondram-panjakana izao. Misy mpanohitra mahatsapa an’izay. Na eo […]

Antoko HVM : “Tsy misy dikany ny sata raha tsy hatsaraina ny lalàm-pifidianana”

“Aleo isika miroso man­kany amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Tsy misy dikany ny hanaovan-tsonia ny sata, raha tsy mankany amin’ izany. Manomboka amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna hatramin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasam­bany Alain Desiré. Fanam­ba­rana nataony momba ny fanaovan-tsonia ny satan’ny fitsi-pitondran-tena ho an’ny antoko […]