“Rava iray minitra izay naorina herintaona”, hoy izay mpanoratra iray izay. Fa izay rava iray minitra, mety mila herintaona vao voaarina. Na mihoatra noho izany aza… Izay no maha zava-dehibe ary tena ilaina ny tolo-tanana amin’ny fanarenana ny fahavoazana noho ny fandalovan’ny rivodoza roa nifanesy teto Madagasikara farany teo. […]
Taratra
Hafatry ny FFKM amin’izao voina izao: « Atsaharo ny fanararaotana amin’ny endriny samihafa »
Namoaka fanambarana sy hafatra koa ny eo anivon’ny FFKM, taorian’ny antso nataon’ny Evekan’i Madagasikara sy ny foibe FJKM. Nampita hafatra ho an’ny rehetra izy ireo manoloana izao voina eto amin’ny firenena izao. «Manentana ny rehetra izahay mba hanalavitra ny fanararaotana amin’ny endriny samihafa ao anatin’izao voina izao », hoy ny hafatry […]
Nifamaly tao amin’ny toeram-pisotroana : Lehilahy voatifitra basy, karohina ilay nahavanon-doza
Niafara tamin’ny fandratrana olona roa ny fifamaliana teo amin’ny lehilahy miisa roa tao amin’ny toeram-pisotroana iray, teny Andoharanofotsy, ny zoma 13 febroary teo. Nandositra ilay nitifitra. Voan’ny bala teo amin’ny sorony havia sy teo amin’ny feny havanana ny lehilahy iray, teny Malakialina, fokontany Mahalavolona, kaominina ambanivohitra Andoharanofotsy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny […]
Imerimandroso: Jiolahy nanafika Cash point voasambotra
Nanambana basy kilalao sy antsy mpanao Cash-point, jiolahy iray voasambotry ny fokonolona sy ny zandary tao amin’ny fokontany Alatsinainy, kaominina Imerimandroso, distrikan’ Ambohidratrimo, ny zoma 13 febroary teo. Jiolahy roa lahy niditra an-keriny tao amin’ io toerana fikirakirana vola io, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tsy nisy fanazavana, nanery […]
Maty tao anaty kaontenera : Voalevina izy 13 mianadahy
Voalevina avokoa ireo namoy ny ainy tao anaty kaontenera tany Toamasina. Tsiahivina fa mpilaravinahitra avy aty an-drenivohitra izy ireo no namoy ny ainy nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Gezani… Nalevina avy hatrany, ny faran’ny herinandro teo, ny nofo mangatsiakan’ireo olona miisa 13 namoy ny ainy tao anatin’ny kaontenera vantany tonga tany […]




