Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny depiote Rafidimanana Narson. Nitodika manokana amin’ny fahefana mpanatanteraka ny tenany amin’izao fandinihana ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana izao. « Tsy tokony hanadino na hivaona amin’ireo fitakiana teny an-kianja isika. Aoka hatao laharam-pahamehana amin’ny tetibola ny mahamaika ny vahoaka », hoy izy. Nohitsiny fa hitsangana izy ireo […]
Taratra
Tsy fanovana fa fanovanana
Raha atao indray mitopy maso, toa mazava ny lalan-kizoran’ilay Madagasikara. Endrey izato firantirantiana any ivelany. Tena manambaka ireo firenen-kafa tsy mba nahitan’olana. Mahazo ny haja sy voninahitra, tsy misy toa izany, tena manao be ilay Tetezamita. Tsy mitavozavoza ry Ramiaramila isany. Manambaka ny mpitondra nandatsaham-bato tamin’ny fifidianana. Tena milamina […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Izao vao tena hanomboka ny fanavaozana”
Niatrika ny fanompoam-pivavahana ho fanomanana ny fiatrehan’ny FFKM ny fikaonandoham-pirenena, natao teny Ankadikely Ilafy, ny filohan’ny Fanavaozana. Nambarany nandritra izany fa izao vao tena hanomboka ny fanavaozana. “Mila fanavaozana tena izy isika, ary izao vao tena hanomboka izany”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny FJKM Ankadikely […]
TSELATRA
Lehilahy miisa roa voasambotry ny zandary tao Mahitsy, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Tratra nangalatra kisoan’olona tao Avaraparihy, fokontany Ambohitsilaizina, kaominina ambanivohitra Mananjara izy ireo. Nanao ny fikarohana ny zandary ka tratra teny am-pitondrana izany ireto olon-dratsy ireto. Nentina nanaovana fanadihadiana izy ireo. Lehilahy iray hita faty feno ratra sy […]
Kaominina Marondry : Ben’ny Tanàna lefitra hita faty
Hita faty tao anaty rano ny lehilahy iray lefitry ny ben’ny Tanàna, tao amin’ny kaominina Marondry, distrikan’Ankazobe, afakomaly. Niala ny trano fonenany io lehilahy io, ny alahady 18 mey tolakandro. Tsy niverina an-trano intsony izy taorian’izay. Nampiahiahy ny fianakaviany ny fanjavonan’io havan’izy ireo io tampoka. Nanao fikarohana izy ireo saingy […]





