Dokotera 44, avy amin’ireo sampandraharaha misahana ny fitsaboana eo anivon’ny orinasa (SMIE) miisa 29 manerana ny Nosy, no manaraka fiofanana eny Androhibe, nanomboka omaly ary mitohy anio. Mahakasika ny aro loza sy fahasalaman’ny mpiasa, karakarain’ny minisiteran’ny Asa no atao amin’izany. Mifantoka amin’ny lohahevitra telo lehibe ny fiofanana. Eo ny fanentanana […]
Taratra
Fanabeazana ara-pananahana an-tsekoly: Mpianatra mpanabe olon-tsahala miisa 40 hanentana
Mandao ny sekoly ny ankamaroan’ny tovovavy malagasy noho ny antony maro, araka ny fanadihadiana nataon’ny Unesco ny taona 2021. 40% ny tahan’ny fialana an-daharana ho an’ny ambaratonga faharoa, raha mihoatra ny 60% kosa eny amin’ny Lycée. Betsaka ny antony mahatonga izany fialana an-daharana izany fa anisany ny fanambadiana aloha loatra […]
VAOVAO TAMBATRA
Miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy ny zava-misy na dia manaraka ny vidin-tsolika tena marina aza isika. Marihina fa tafakatra 5 510Ar/l ny lasantsy raha toa ka 5 320Ar/l izany teo aloha. Sandaina 3 230Ar/l ny solika fandrehitra raha 3 030Ar izany. Niakatra ho […]
Tsena iraisam-pirenena: Tombanana hidina ny vidin’ny akora fototra
Tombanana hidina ny vidin’ny akora fototra maneran-tany hatramin’ny taona 2026, vidiny izay anisan’ny ambany indrindra tao anatin’ny enin-taona farany. Vinavina navoakan’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny tatitra “Commodity Markets Outlook”, nivoaka ny herinandro teo, izany. Anisany antony hampihena io vidin’entana io ny fihenan’ny harinkarena maneran-tany, ny fitomboan’ny famokarana solika ary ny fiovan’ny […]
Alpha ciment: Nifanakalo hevitra tamin’ny mpanjifa
Nihaona tamin’ireo mpanjifany sy ireo mpisehatra rehetra amin’ny fanaovan-trano, teny Vontovorona, ny Alpha ciment, ny sabotsy 26 avrily lasa teo. Fifampizarana traikefa sy fifanakalozan-kevitra no natao tamin’izany ka an-jatony ireo niatrika izany. Nisy ny mpanao trano, mpitantana orinasa, mpivarotra sy mpaninjara ary izay rehetra ao anatin’ny tontolon’ny mpampiasa simenitra. Iray […]