Taratra

“Fos’Art Festival”: ny zavakanto no hanohanana ankizy sahirana

Hetsika ampiarahana ny zavakanto sy ny fanampiana ny mpiara-belona. Hoton­tosaina ny sabotsy 10 oktobra ho avy izao ny “Fos’Art” Festi­val”, andiany voalohany. Hatao eny amin’ny Golf Galaxy – Birdy Antananarivo izany, ma­nomboka amin’ny 10 ora ma­raina. Karazan-kanto marolafy no hasongadina mandritra izany, ka anisany ny hainahandro sy ny manodidina azy. […]

koera – « Mondial 2026 »: hanoman-tena atsy Seychelles

Nampahafantarin’ny Fédé­ration malagasy de Voile, ny fiandohan’ny herinandro teo, ny fitsanganan’ny ekipam-pirenena malagasy. Nampi­ton­draina ny anarana Koera, na­laina tamin’ny anaram-borona boloky tsy misy afa-tsy eto Madagasikara izany. Hano­mana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “SSL Gold Cup 2026”ny Koera. Ahitana atleta 10 ka vehivavy ny roa. Avy amin’ny faritra maro […]

Barea A sy ny U23: mikasa hanao lalao ara-piraha­lahiana

Araka ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), mikasa hanao lalao ara-pirahalahiana ny Barea U23 sy ny ekipa nasionaly malagasy zokiny. “Hitsapa kianja”! Raha tsy misy ny fiovana, hiatrika lalao ara-pirahalahiana, aorian’ilay lalao roa izay ihaonana amin’i Nigeria sy Tanzania, mandritra ny fifanintsanana “Can 2027”, ny […]

Vaovao tambatra

Eny Amoronankona avokoa ny fiaingan’ny fiara mpitatitra rehetra, manomboka ny alarobia 16 septambra ho avy izao. Foana tanteraka, noho izany, ny fiaingana eny amin’ny Fasan’ny Karana. Voaka­sik’izany ireo mpampiasa ny RN2 sy ny RN7, afa-tsy ireo manana ny toby tsy miankina, manana alalana manokana, na ireo miantsinanana eny amin’ny Toby […]

Toamasina: niverina ny fanamboaran-dalana

Mamatsy vola ny fanarenana ny Araben’ny fahaleovantena eto Toamasina ny orinasa Ambatovy. Mitentina 5 miliara Ar izany, izay avy amin’ny tamberim-bidy naloan’ity orinasa ity. Nitondra fanazavana ny tomponandraikitry ny orinasa Colas, manatanteraka ny asa, ny 9 septambra teo. Tsiahivina fa natomboka tamin’ny 17 jolay ny asa, izay tokony haharitra 4 […]