Taratra

Noho ny fandehanana mafy: nivadika ny fiara, naratra ny mpamily

Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsy Ambodiafontsy anatin’ny lalam-pirenena voalohany, omaly maraina. Fiaran’olon-tsotra iray nidona tamin’ny sisin-dalana ka nivadika vo­katry ny fandehanana mafy, omaly maraina tamin’ny 4 ora sy sasany. Avy any Ampita­tafika nikasa hihazo an’i Malaza ity fiara ity. « Nifane­na tamin’ny fiara iray izy. Taratry ny jiron’ilay fiara io ny […]

Vao nivoaka ny fonja.. : tratra nangala-bilany ilay jiolahy

Tsy mety fay mihitsy ! Tratran’ny zandary mpanao sakana amin’ny lalam-pirenena RN4 teo Mahitsy, ny sabotsy teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana miharo halatra. Nohamafisin’ny zandary fa jiolahy mpamerin-keloka izy ity. Nanao ny asa ratsiny tao Nandihizana, fo­kontany Tsarahonenana, kaominina Mahitsy, ny zoma teo izy. Fitaovan-dakozia marobe no tratra tany […]

Hazalambo: dahalo iray azo sambo-belona, omby 200 tafaverina

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo dahalo niaraka tamin’ny basy niampy ireo omby 200 nangalarin’izy ireo, tao Andavarary ambony, distrikan’Analalava, ny faran’ny herinandro teo. Anatin’ny hetsika famongorana ireo mpangalatr’omby ao amin’ny faritra Sofia, nanao be midina ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny vondro-tobim-paritra ao an-toerana. Nanao fisafoana ireo kizo malaza ratsy […]

Ilafy : dimy lahy nidoboka am-ponja

Toarian’ny fampanoavana, naiditra am-ponja vonjimaika ireo dimy lahy saron’ny zandary nangalatra varavaram-by tetsy amin’ny fokontany Ambo­hibe, kaominina Anka­dikely, ny 9 jona teo. Ny alin’ny 6 jona hifoha ny 7 jona, niara-nangalatra ireo entana ireo izy dimy lahy ireto ka nitatitra izany mangingina. Nifanehatra tampoka tamin’ny mpitandro filaminana manao fisafoana amin’ny alina anefa izy ireo. […]

Halatra taova : Tovolahy iray nisy naka ny voamasony roa

Nampihoron-koditra! Tovolahy iray no nisy naka an-keriny, ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Tsiandamba kaominina ambanivohitr’i Tsifota Toliara II. Nalain’ireo nahavanon-doza ny voamasony roa ka naratra mafy izy. Raha ny tatitra nampitain’ireo nahita ny zava-misy tany an-toerana, teny an-dalana hamangy ny fianakaviany any Antseva no nentin’ireo olon-dratsy tany anaty ala. […]