Ho fetiben’ny baolina lavalava, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny tontolo andron’ny alahady 11 jona 2023. Hotanterahina eny mantsy ny «Festival des rugbys», fiarahana mientana sahady ny ho fisian’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny baolina lavalava, tanterahina any Frantsa, ny 8 septambra ka hatramin’ny 28 oktobra ho avy izao. […]
Taratra
Ligue des Champions 2023 : Manchester City sa Inter Milan ?
Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’i Istanbul ny lalao famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions 2023 » (LDC). Araka izany, hiady ny amboarabe ny Manchester City, anglisy sy ny Inter Milan, Italianina. Tsiahivina fa ny Manchester City, nanilika ny Real de Madrid, Espaina teo amin’ny lalao manasa-dalana, raha […]
Orange Pro League : hafana ny lalao manasa-dalana
Hotanterahina manomboka anio ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fifaninanam-pirenena “Playoff Orange Pro League (OPL)”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Fosa Junior Boeny sy ny Ajesaia Bongolava. Fifanandrinana hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-pass. Mbola manala vela ny mpilalaon’i Bongolava satria efa […]
Lalaon’ny Nosy 2023 : nifarana ny fiofanan’ny atleta tany Chine
Nikatona tanteraka ny fiofanana nataon’ny atleta malagasy tany Chine, ho an’ny taranja atletisma sy fibatana fonjamby. Fiofanana ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao. Tamin’ny alalan’ny fitsapana farany no namaranana tanteraka ny fiofanana natrehin’ireo atleta malagasy any Chine, ho an’ny taranja atletisma manokana. Nisy […]
Harena an-kibon’ny tany : mihamatotra ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa
Manana fifandraisany akaiky amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany i Frantsa sy i Madagasikara. Noraisin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier, teny amin’ny birao fiasany Ampandrianomby, ny 8 jona teo, ny masoivohon’i Frantsa vaovao, Arnaud Guillois. Navoitran’ny ambasadaoro frantsay ny asa nataon’ny Birao fikarohana […]




