Taratra

Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna: hovolavolaina ny paidaky iraisam-paritra

Tapitra ny alarobia teo ny fivoriambe iraisam-paritra momba ny jono tsy ara-dalàna, tsy voatatitra ary tsy voafehin-dalàna (pêche INN). Hoentina hamolavolana paikady iadina amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voatatitra ary tsy voafehin-dalàna ny fehinkevitr’ity fivoriambe ity. Ho fantatra aorian’izay ireo fomba enti-manohitra izany tsy fanarahan-dalàna izany. Tsiahivina fa naharitra telo […]

Israely- Madagasikara: hampiroborobo ny toekarena sy ny varotra ny CCISMA

Na firenena kely velaran-tany aza i Israely, ambony be ny tahan’ny fitomboan-karena isam-batan’olona. Nampaha­fan­tarina, omaly, ny fijoroan’ny Antenimieran’ny Varotra Israely-Madagasikara (CCISMA) eto Madagasikara. Tan­jona, ny hanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra ary ara-kolontsaina eo amin’ny tany roa tonta. Manana tombondahiny amin’ny lafiny fahaiza-manao i Israely, eo amin’ny sehatry ny fambolena […]

Betafo : nahazo ozinina manodina ovy ho lasa chips

Afaka manodina ovy 100kg isan’ora ilay milina napetraky ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ao Betafo, omaly. Ha­nampy betsaka ny tantsaha ny fahazoana ity ozinina ity, noho izy ahitana lalam-barotra amin’ny famokarana ao an-toerana. Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony sy […]

Fandraharahana : namatsy 100 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena

Natao sonia, omaly 9 jona, ny fifanarahana famatsiam-bola 100 tapitrsia dolara, eo amin’ny Banky Iraisam- pirenena (BM) sy ny fanjakana malagasy, nosoloin’ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Mizara telo ny sehatra hampiasana ity 100 tapitrisa avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ity. Voalohany, hanamafisana ny fahaiza-mitantana ny lafiny […]

Fitsirihana ny lisi-pifidianana: miisa 29 000 ireo anarana miverimberina

Natao, omaly, teny Alarobia ny famelabelarana ny valin’ny fitsirihana ny lisitry ny mpifidy. Namelabelatra ny valin’ny fitsirihana nataony ny ma­nam­pahaizana avy amin’ny Tim sy ny avy amin’ny firaisamonim-pirenena “Hetsika fampiraisana kristiana ho an’ny firenena – HFKF”. Ni­atrika izany ny komity, ahitana ny solontenan’ny fiaraisamonim-pirenena sy ny mpanao politika, ny birao maharitry ny […]