Taratra

Fiombonana ; “Voahitsakitsaka ny lalàna”

“Manitsakitsaka ny lalàmpanorenana ny zava-misy. Satria tokony hisy ny lalàna fanitsiana ny tetibola”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny tsy fisian’ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana, taona 2023. Mitaraina ny Ceni amin’ny vola voasoratra ao amin’ny lalàna mifehy ny tetibola hahazoana manatanteraka fifidianana. Ahoana àry ny fomba […]

Satan’ny mpanao politika : notebahin’ny ACS ny FES

“Fahefana avy aiza no ahazoan’ny FES milaza fa tsy tokony hatao teny faneva amin’ny politika ny Soratra Masina? Tena fanosihosena ny soatoavina malagasy iza­ny. Kristianina avokoa ny 70% amin’ny vahoaka, ary mino an’Andriamanitra-Za­nahary an-tampon’ny loha aza ny 100%.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Amicale des anciens Conseil­lers supérieurs de […]

Fivoriambe atsy Afrika Atsimo: hiady ny hisitrahan’ny vehivavy tany i Masy Goulamaly

Nitohy atsy Afrika Atsimo ny fiatrehan’ny depiote Masy Goulamaly fivoriana iraisam-pirenena, solontenan’i Madagasikara. Hiofana momba ny zon’ny vehivy ho amin’ny fananantany sy ny harena voajanahary ny tenany amin’izany. Hotanterahina, manomboka rahampitso, any Afrika Atsimo, hatramin’ny 15 jona izao izany fivoriana sy fiofanana izany. Hiompana amin’ny harena voajanahary sy ny tokony […]

Tenisy – « Mondial 2023 » : tompondaka tamin’ny “Billie Jean King Cup” i Madagasikara

Tanteraka ny fanamby ho an’ny ekipam-pirenena vehivavy malagasy, taranja tenisy. Voahosotra ho tompondakan’ny fifaninanana eran-tany « Billie Jean King Cup » izy ireo. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, i Tanzania, nandritra ny lalao famaranana, izay natao ny sabotsy 10 jona lasa teo, tany Kigali, Rwanda. Araka izany, tafita ao […]

Fandinihan-tena amin’izay atao izao

Hanao ahoana ity raharaham-pirenena ity? Mampanon­tany tena ny sasany, mampiroaroa saina, mampanahy… Hisy ihany ve, ohatra, ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity? Na hiditra amin’ity hoe Tetezamita… Tsy ampy ny fanazavana? Na tsy maharesy lahatra, tsy arakaraka ny zava-misy sy ny atao izay lazaina… Lasa mahabe resaka amin’izao ny […]