Noraisim-potsiny! Maro ny fitarainana voarain’ny polisy mahakasika ireo tanora mandray zava-mahadomelina eny Antohomadinika. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny polisy manao fanamaniana sivily avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) 67ha teny an-toerana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa mpianaka no anisan’ny mpanaparitaka roro ao Antohomadinika atsimo. Tratra teo am-panaovana […]
Taratra
Iles Eparses : hanampy an’i Madagasikara amin’ny fitakiana i Rosia
Fiaraha-miasa sy fifandraisana efa ampolo taonany maro ny misy eo amin’i Rosia sy i Madagasikara. Tontosa, omaly, teny amin’ny masoivohon’i Rosia, eny Analamahitsy, ny fankalazana ny andron’i Rosia. Fotoana natao hahatsiarovana ny nanambarana ny fiandrianam-pirenen’ny Rosianina ny 12 jona. Manampahefana maro sy olom-panjakana samihafa no tonga nisolo tena ny fitondram-panjakana tamin’izany lanonana izany. […]
Eccova: 800 isan-taona ireo mpianatra mivoaka eo anivon’ny sekoly
Vita afakomaly ny fanadinana ara-panjakana teo anivon’ny ivontoeram-panofanana Eccova, manerana an’i Madagasikara. Naharitra roa andro, natao ny 7 jiona ny adina an-tsoratra ary 8 jona lasa teo ny adina fampiharana ho an’ireo mpianatra. Niompana tamin’ny fanjairana gilet ny adina tamin’izany. Mahatratra 15 ireo ivontoerana ary maherin’ny 400 ireo ankizy nandray […]
Fanadiovana ny fako: nahazo dabam-pako 115 sy fiarabe 2 ny CUA
Nahazo fitaovana (dabam-pako 115 sy camion vidangeur roa ary fitaovana fiarovana maro samihafa) avy amin’ny Pnud ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny lanonana. Tonga nanatrika izany, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny solontenan’ny Pnud. «Hampiasaina handraofana ny fako sy hanadiovana ny lakandrano eto amin’ny […]
Fampandrosoana an’Antananarivo : miara-miasa amin’ny kaominina ny mpivarotra sy ny mponina
Nanao soniam-piaraha-miasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireo fikamban’ny mpivarotra sy ny mponina manerana ny boriborintany enina, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fifanarahana. Mivondrona ao anatin’ny fikambanana 27 ireo mponina, ao anatin’ny fikambanana dimy ireo mpivarotra, izay manerana ny boriborintany enina. Tanjona ny hamerenana ny hasin’ny tanàn’Antananarivo mba […]




