“Manao izao fanairana izao ny fikambanana mba hamoahan’ny Ceni ny tetiandro vaovao mazava indray mandeha momba ny dingana tsy maintsy mbola hatrehina mandra-pivoahan’ny lisitra farany.” Io ny fanambarana hoe “Ampahafantaro ny mpisehatra rehetra ny dingana manaraka amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana sy ny tetiandrom-pifidianana”, nampitain’ny birao nasionalin’ny KMF/Cnoe-Fanabeazana olom-pirenena, omaly, momba ny […]
Taratra
Miadana Fabien Privat : “Tratra aoriana raha izao vao hanitsy lalàm-pifidianana”
Hatramin’izao, mbola adihevitra politika etsy sy eroa ny amin’ny fanitsiana na fanovana lalàm-pifidianana. Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Raha tazonina ny datim-pidianana naroson’ny Ceni, tratra aoriana ihany raha izao vao hanitsy lalàm-pifidianana.” Dinidinika… Gazety Taratra […]
Teny malagasy: mifandimby manolo-kevitra ny Akademisianina
Hotontosaina, anio tolakandro, eny amin’ny Lapan’ ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza, ny fivorian’ny sokajy haikanto sy hailaza sy ny sokajy haifiaina sy haifitondra. Mandritra izany fivoriana izany no hanatanterahana ny famelabelaran-kevitra sy dinika samihafa. Anisan’ny hitondra ny famelabelaran-kevitra amin’izany Ralambomahay Toavina sy Edouard Thomé de Charaix. Dinika sy famelabelaran-kevitra entina hanatsarana […]
Tratra ihany koa ny zavakanto : lasa mpampianatra avokoa ny rehetra
Mitambontsi-pandry ny zavakanto malagasy. Saika ahatazanana io tranga io ny ankamaroan’izy ireo, indrindra eo amin’ny kalitao. Maika loatra ? Ny fahamehana eo ihany fa ilay fomba nahatongavana eo amin’ny toerana maha «mpanakanto» no hafahafa ! Tsara ny mianatra mozika, kabary, hosodoko, sns, fa hadino ny mitazana na mamantatra ilay mampita […]
Hahazo anjara ny ray : hisy ny « Hiram-pitia ho an’i Dada »
Andro vitsivitsy izay no lasa, notolorana fanomezana izay heverina fa nanandrify azy ny reny. Tsy ho diso anjara ihany koa ny ray, afaka andro maromaro. Hanatanteraka seho natokana ho azy ireo ny tarika Gasy Miangola sy ny Andriampaniry. «Hiram-pitia ho an’i Dada», hotontosaina eny amin’ny efitrano malalaky ny Karaoke 411, […]




