Taratra

Fitsipi-pitondran-tena: hanao sonia fifanarahana ireo mpanao politika

Tsy hikombona ary mbola hisy fihaonana manaraka. Nambaran’ny loharanom-baovao iray ary nohamafisin’ireo mpanao politika fa tsy misy idiran’ny Tetezamita sy lalàm-pifidianana ilay sata ho an’ny fitsipi-pitondran-tena, iarahana amin’ny FES. Hosoniavina ny 20 jona ny fifanarahana, saingy ialohavan’ny fakan-kevitra hatramin’ny 16 jona izany. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain, anisan’ny niatrika […]

Ilaina ny fitandremana

Vaovao mbola mahasarika ny sain’ny maro ny mahakasika ireo telo lahy, namoy ny ainy tany Fianarantsoa, ny sabotsy lasa teo. Voalaza fa mpanao aferam-batosoa, voasoloky sy voa­fandrika ka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Mazava ny filazan’ny fianakaviana fa mpisoloky avo lenta sy tambajotran’olon-dratsy manerana an’i Madagasikara no ao ambadiky ny raharaha. Betsaka ny […]

Raharaha tao Lalazana : “sambory ny depiote! “, hoy ny havan’ny maty

Vono olona efa nomanina no niseho tany Lalazana, hoy ny fianakavian’ny maty. Miangavy ny fanjakana mba hisambotra ny depiote, ny Kly Martin, izy ireo. Nivoaka tamin’ny fa­hanginany ny fianakavin’i Dawilly, ilay mpandraharaha vatosoa, ma­tin’ny fokonolona tany La­lazana, kaominin’i Soahin­drana, distrikan’i Vohibato, ny sabotsy alina lasa teo. “Mbola sahirana tamin’ny fikarakarana […]

Fanalam-baraka tamin’ny “Facebook” : hanokatra fanadihadiana ny zandary

Niteraka resabe tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, ny fisiana resaka an-tsoratra tamin’ny finday niparitaka nifanaovana vehivavy sy zandary iray. Voalaza ho tsy nahazo ilay tovovavy ilay lehilahy ka nanao vava taminy. “Miasa any amin’ny toerana tsy misy “réseau” iny zandary voalaza anaty tambajotran-tserasera iny ka tsy azo inoana ny fahamarinan’ilay tranga”, […]

Acmil Antsirabe : zazavao 107 naseho ambany faneva

Tontosa ny fanolorana ambany faneva ireo miaramila zazavao miisa 107 mirahalahy avy amin’ny antokon-taona 2022/2, tao amin’ny Akade­mia Miaramila Antsirabe, afakomaly. Nahavita fiofanana fototra ara-miaramila na ny « FETTA » nandritra ny telo volana izy ireo. Haharitra roa taona kosa manomboka eto ny fanompoam-pirenena miandry ireto miaramila zazavao ireto. Maneho sahady ny […]