Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) teny Antohomadinika Atsimo IVO, afakomaly atoandro, ny vehivavy iray malaza ratsy amin’ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika. Efa tsikaritry ny polisy miasa ao amin’ity sampana ity ny fisian’izy io. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy nanao ny fanaraha-maso ka voamarina […]
Taratra
Ivato : mpandroba nikasa hanendaka mpanao Cash point
Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray nikasa handroba Cash point, tetsy amin’ny fokontany Androndrakely, Ivato, ny 31 mey teo. Narahin’ity jiolahy ity maso ny mpiasa amina Cash point iray handeha hody. Tsy naharaka na inona na inona, araka izany, ilay nitondra ny vola. Poa toy izay, nofaohin’ilay tsy mataho-tody ny […]
Fandehanana mafy : zazavavy 9 taona maty voafaokan’ny kamiao
Tsy nanampo na inona na inona, maty tampoka nodomin’ny fiara teny an-tsisin-dalana ny zazavavy mpianatra iray. Hamonjy fodiana izay no tra-doza tao Ambositra, omaly. Nirava avy nianatra, niharan-doza tampoka ka namoy ny ainy ny zazavavy iray 9 taona tao Atsinanan’i Vinany, Ambositra I, omaly tamin’ny 11 ora sy fahefany. Nanaraka […]
CAMS: nivoaka ny andiany “Henri Roger Naturel”
Tontosa, omaly, teny amin’ ny foiben’ny Komity olympika malagasy Ivandry, ny famoahana ny andiany faha-4, mitondra ny anarana “Henri Roger Naturel”, niatrika ny Cours Avancés en Management du Sport (CAMS), taona 2022. 17 mianadahy izy ireo no nahavita ny fianarana hatramin’ny farany, izay naharitra 7 volana. Nanomboka ny volana avrily […]
Kitra ho an’ny tanora : fahombiazana ny fifaninanana U19
Azo notsapain-tanana ny vokatry ny fifaninanam-pirenena U19, taranja baolina kitra, nokararain’ny vaomieran’ny baolina kitra ho an’ny tanora eo anivon’ny federasiona malagasy (FMF). Fihaonana, notanterahina tamin’ny faritra maro teto Madagasikara, izay nifarana ny volana mey lasa teo. Tafapetraka ny dingana amin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra miainga eny ifotony, amin’ny alalan’ny fanatontosana […]




