Niakatra fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, ny 16 mey 2023 lasa teo, ny raharaha anenjehana ireo zaza maditra 20 mianadahy nanao herisetra sy hetraketraka ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Voaheloka an-tranomaizina telo volana ny roa… Nivoaka ny didim-pitsarana ny 22 mey teo ka afaka noho ny fisalasalana ny 18 mianadahy […]
Taratra
Rotary Mahamasina : mila tohanana ny kilasy Asama
Ankizy (11-15 taona) niala an-daharana tany an-dakilasy 210 isan-taona no ampianarin’ny mpampianatra voaofana amin’ny fandaharam-pianarana manokana anatin’ny kilasy Asa avotra sekoly malagasy (Asama). “Tanjona, miatrika fanadinana CEPE sy 6ème izy ireo aorian’ny herintaona faharetan’ny fampianarana, vatsian’ny fikambanana Rotary Club Mahamasina vola, tao anatin’ny 20 taona”, hoy ny filohany, Rajaonson David, […]
Tapitra ny tetikasa VectorLink: olona 6 tapitrisa mahery voaaro amin’ny tazomoka
Nampahafantarina omaly, tetsy Ankorondrano, ny fiafaran’ny tetikasa “VectorLink”, izay niompana betsaka tamin’ny ady amin’ny tazomoka teto Madagasikara. Nanomboka ny taona 2018 ny tetikasa ary nitentina 12 tapitrisa dolara ny vola niasana, izay novatsian’ny Vinan’ny filoha amerikanina ho an’ny ady amin’ny tazomoka (PMI) ary tantanan’ny USAID. Malagasy miisa 1,4 tapitrisa no […]
Fanentanana fanjarian-tsakafo : nifaninana ny samy mpianatra
Nikarakara fifaninanana fanentanana hafatra iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny sekoly tao anatin’ny faritra Analamanga ary anisany ny kaominina Fenoarivo ny Foibem-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny sehatra tsy miankina ary ny fikambanana samihafa. “Fampitan-kafatra faobe ho an’ny fanjarian-tsakafo no tanjona ary natao amin’ny fifaninanana […]
Seba sy MadCap Isotry : ankizy 300 nisitraka tohana avy amin’i Chine
Tafiditra ao anatin’ny tan-tsoroka ho an’ireo firenena afrikanina miara-miasa amin’i Chine ireo fitaovana natolotra ho an’ny ankizy, avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena sinoa. Notoloran’ny masoivoho sinoa fitaovana isan-karazany ireo ankizy 300, zanaky ny sahirana etsy amin’ny Seba sy MadCap Isotry, omaly. Nahitana vary, menaka, kidoro, savony, kilalao, fitaovam-pianarana, akanjo, kiraro, tohana […]




