Taratra

Masse – Rohy : «Manatsara ny fitantanana ny tomban’ezaka»

Nanao atrikasa tetsy Ambatonakanga, ny Ma­lagasy Association for evaluation (Masse) sy ny Rohy, omaly. Nanatrika izany ireo firaisamonim-pirenena ary ireo mpisehatra hafa. Tan­jona ny hanamafisana ny votoatim-politikam-pirenena momba ny tomban’ezaka. Amin’ny alalan’ny fampidirana ny fomba fijery sy fandraisan’andraikitry ny fiarahamonim-pirenena rehetra hampandrosoana ny firenena. «Hanatsarana ny fomba fitantanan’ny mpitondra ny […]

Filoha teo aloha, Rajaonarimampianina : “Ampy izay ny fahasahiranan’ny firenena…”

Nitondra famelabelaran-kevitra ho an’ny fikambanana Zanak’Atsimondrano ny filoha teo aloha, Rajaonari­mampianina Hery, ny herinandro teo. Lohahevitra nifampizarana ny vina sy ny hevitry ny “Fampivoarana ny maha olona sy ny toe-tsaina, mampisandratra”. Nambarany fa ilaina ny toe-tsaina tena hampisandratra ary tokony ho raiki-tapisaka ao amin’ny tsirairay, sy hanomboka any amin’ny mpitondra […]

Kianjan’ny 13 mey : voasakana ny hetsika, iray voasambotry ny Emmo/Reg…

Nitsapa ny halalin’ny rano ? Tsy tanteraka ny hetsika nokasain’ny vadin’i Malama, Rakoto Samuel Doris tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, Analakely, omaly. Niafara tamin’ny fisamborana izany. Tsy nampihemotra ny vadin’i Mahery Lanto Manandafy (Malama), Rakoto Samuel Doris ny sakantsakana nataon’ny Emmo/Reg, niatrana vao maraina tetsy Analakely sy ny manodidina. Niroso […]

Ady amin’ny kolikoly : azo refesina ny vokatra

“Voalaza hatrany hoe tsy mahafa-po ny vokatra amin’ ny ady amin’ny kolikoly. Inona no ataon’ny sehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly?” hoy ny sekretera mpanatanteraky ny Komity fitandroana ny fahitsiana (CSI), Razafimandimby Tsiry, teny Antaninarenina, momba ny atrikasa, nampahafantarana ny fitaovana ara-kajy mirindra “Système d’infomation integré de la gouvernance et de […]