Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, omaly, Rakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô no mpanazatra hitondra ny Barean’i Madagasikara. Ny 14 oktobra, hanaovana ny fifidianana ny filohan’ny FMF vaovao. Toy niandry vohoka ny namohana ny anaran’ny mpanazatra ny Barea de Madagascar vaovao, handimby an’i Nicolas Dupuis, teknisianina frantsay. […]
Taratra
DO B : ho solontenan’i Madagasikara
Mbola kely izy dia efa nisongadina tamin’ity talentany ity… Teny an-dalana teny no nanatsara sy nifehy ny “beatbox” i Do B. Nanomboka nisongadina ary lasa nalaza indrindra tamin’izany Rasolofoarison Do na i Do B taty aoriana. Tsy nijanona amin’izay lazany izay anefa, fa nikatsaka hatrany ny hiakatra ity mpanakanto ity. […]
Nisokatra ny fankalazana… : Boky “Hiram-bavaka”, tsangambaton’ny faha-100 taonan’i Rado
Feno zato taona amin’ity ny nahaterahan’Andriamantena Georges na i Rado… Tsy avelan’ny fianakaviany akaiky sy ny fianakaviamben’ny zava-kanto amin’ny ankapobeny handalo fotsiny izany, fa homarihina ho fanomezam-boninahitra ity andrarezin’ny literationa, nanamarika vanim-potoana maharitra ity. Nosokafana omaly, ny fankalazana, tao amin’ny efitrano Rado ao amin’ny Tranombokim-pirenena, Anosy. Rariny loatra satria toerana […]
Mila ovaina ifotony : ratsy taiza ny zaza malagasy
Mpampianatra, ray aman-dreny, raiamandreny mpitarika, mpitondra… Mpitaiza sy mpanabe avokoa ! Izy ireo no loharano hanovozana ny fahalalana, fahendrena, soatoavina, fomba amam-panao, sns. Ireo rehetra ireo anefa no tsy ampy eo amin’ny zaza malagasy ka ilazana azy ireny ho ratsy taiza. Mila ovaina ifotony ny fanabeazana sy fitaizana misy amin’izao vanim-potoana […]
Fanandratana ny teny malagasy : hanome lanja ny tantara foronina ny Havàtsa-Upem
Raha oharina amin’ny asa soratra hafa, vitsy kokoa ireo mpanoratra mirotsaka amin’ny fanoratana tantara foronina. Ho fanarenana izany, sady famohazana talenta, hanatanteraka atrikasa ny Havàtsa-Upem. Volana jona, iray volana hanandratana ny teny malagasy, ho an’ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy na ny Havàtsa-Upem. Hanatanteraka atrikasa momba ny tantara foronina […]




