Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza nanao fihetsika feno habibiana tamin-janany, tao Vakinankaratra. Ny alakamisy teo, tonga nametraka fitarainana tao amin’ny polisy misahana ny ankizy sy ny vehivavy ao amin’ny talem-paritry ny Filaminana anatiny ao Vakinankaratra ny ramatoa iray fa hoe nisy nanolana ny zanany […]
Taratra
Antohomadinika : jiolahy nitondra antsy lava lavon’ny polisy
Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana, maty voatifitra ny jiolahy raindahiny iray tetsy Antohomadinika, omaly. Nitondra antsy lava, miandry ireo mpandalo maraina ity jiolahy lavon’ny mpitandro filaminana tetsy Ankazomanga, omaly vao mangiran-dratsy ity. Miandry ireo mpiantsena maraina sy ireo mpiasa miainga mbola maizimaizina, nifanehatra tampoka tamin’ny polisy ity jiolahy ity. […]
Ambohidranomanga : dahalo iray maty lavon’ny zandary
Lavon’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambatomirahavavy ny dahalo iray nandritra ny fifampitifirana tao amin’ny fokontany Ambohidranomanga, kaominina Ambatomirahavavy, afakomaly hariva. Nifanehatra tamin’ireo zandary notarihin’ny CB Ambatomirahavavy ny dahalo telo lahy nitondra omby. Vao nahita ny zandary anefa izy ireo dia nitsoaka avy hatrany sady namoaka basy. Raikitra teo ny fifampitifirana. Vokany, maty […]
Talatamaty : jiolahy 9 mpangalatra moto voasambotra
Ravan’ny mpitandro filaminana ny tambajotran-jiolahy mpangalatra moto tetsy Talatamaty, afakomaly. Efa fikambanan-jiolahy mihitsy ireto saron’ny zandary miasa eny anivon’ny borigadin’i Talatamaty ireto. Jiolahy 9 noraisim-potsiny niaraka tamin’ny moto efatra nangalarin’izy ireo, taorian’ny fanadihadiana lalina. Tompona moto iray nametraka fitoriana teny anivon’ny zandary ao Talatamaty fa very moto. Nividy zavatra teo […]
Sehatry ny jono : nojerena ny orinasa Polyma
Anisan’ny fitaovana manan-danja amin’ny fanjonoana ny fananana sambo entina mampiroborobo ity seha-pihariana ity. Araka izany, nitsidika ny orinasa malagasy mpanamboatra sambo, Polyma eny Ilafy, ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, ny alakamisy teo. Hita tao avokoa ireo karazana sambo rehetra, toy ny sambo madinika, ny haingam-pandeha […]




