Taratra

Fihariana: toho-tantely 1.000.000 haparitaka manerana ny Nosy

Harena sy namana ny tantely. “Andao hamonjy ny tantely ho an’ny famokarana manaja ireo bibikely mpamindra vony, mpampivady zava-maniry”. Io ny teny filamatra nentin’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana (Mi­nae), nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ ny tantely, ny zoma sy sabotsy teo, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Tanjona […]

Fampiroboroboana ny fiompiana : hanampy betsaka ny tantsaha ny sehatry ny nomerika

Tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny famokarana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Betsaka ny vokatsoa azo avy aminy, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fizarana traikefa, ny famantarana ny tantsaha iray ary ny asa famokarana ataony. Nanao sonia fiaraha-miasa telo sosona, nandritra ny fikaonandoha momba ny fampiroboroboana ny ny haitao ara-kajy mirindra, […]

Toetry ny andro : hanomboka anio ny kongresy maneran-tany faha-19

Hanomboka anio ary hifarana ny 2 jona izao ny kongresy maneran-tany faha-19 momba ny toetry ny andro. Handray anjara amin’izany i Madaga­si­kara amin’ny alalan’ny fandraisana anjara ampitain-davitra ho an’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro fa hanatrika izany mivantana kosa ny solontena maharitry ny Repoblika malagasy eo anivon’ny Fire­nena mikambana […]

Fiteam : 4 tapitrisa ny Tandroy mila ravinahitra manerana ny Nosy

Nanatanteraka fihaonambe ny fikambanan’ny terak’An­droy (Fiteam) tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny sabotsy teo. “Tanjona ny fanehoana firaisankina”, hoy ny filohany Rakotondrazaka Ladislas Adrien. Tonga namaly ny antso avokoa ireo terak’Androy ao amin’ ny fitondram-panjakana sy ny mpianatra avy any amin’io faritra io mandranto fianarana eto ary ireo mpila ravinahitra eto […]

Rallye mathématique faha-19 : 244 ireo mpianatra nifaninana

Nofaranana teny amin’ny Lycée Français Ambatobe, ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana “Rallye mathématique” an­diany faha-19. Ekipa valo isa­ky ny sokajy no niatrika ny din­gana famaranana, nandraisan’ ny faritra enina anjara, tamin’ ity taona ity. «Fifaninanana ma­tematika famahana olan’ny fiainana andavanandro ny «Ral­lye mathématique» ka hi­za­rana ny ankizy mpianatra hiaina […]