Taratra

TARATRY ny KANTO

Voatohintohina ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Tsy mpamono olona ny Malagasy. Tsy mpanao sorona olona ny Malagasy. Soatoavina malagasy hi­ta manerana an’i Madagasikara ireo. Amin’izao fotoana, anefa, mivaha izany. Sahin’ny Malagasy ny mandatsak’aina. Toa tsy atahorany intsony ny tody izay tsy azo hialana. Nisesisesy tato ho ato ny tranga […]

Atsimo Atsinanana: Miroso ny fametrahana ny “Dina tsy mavandy”

“Dina tsy mavandy” no anaran’ny dina ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana. Efa na­hazo fankatoavana tamin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Farafangana izy io, tamin’ny volana desambra 2025. Miroso ny fanaparita­hana sy fampiharana azy amin’ izao fotoana izao. Izay no an­ton’ny atrikasa niantsoana ireo mpitondra eto amin’ny faritra nahitana ny prefektora, mpiandraiktra […]

INDRAY MIJERY

Nitombo ho 14 ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia tamin’ny faritra sivy. 38 ny distrika voakasika. 85 642 ny tra­boina (tokantrano 20 898) ; 26 959 ny olona nafindra toerana (6 450 tokantrano) ka ny 16 605 raisina an-tanana eny amin’ny toeram-pandraisana 48. Ho fampiakarana ny lentan’ny fampianarana eny anivon’ ny […]

Profesora Andrianaivotseheno Ravaka : « Tsy eken’ny lalàna ny fanaovana fitsaram-bahoaka… »

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny momba ilay raharaha fitsaram-bahoaka tao Soanindrariny Antsirabe, ny zoma teo. Manoloana ity raharaha mampihoron-koditra ity, nitondra fanaza­vana ny eo anivon’ny Mpiahy an-drariny, mpiaro ny zon’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny mpitarika izany, ny Profesora Andrianaivotseheno Ravaka Vonimbola. Nambarany fa ma­nan-kasina ny aina amin­tsika Malagasy. Nampin­dra­mina ny […]