Niavaka ny fankalazana tamin’ity taona ity ary maro ny liana tamin’izany. Manodidina ny 3000 mahery ny tonga nanotrona, misy avy amin’ny fikambanana samihafa, ASIEF, MJS, federasiona ary ireo olon-tsotra. Nanatanteraka hazakazaka nanodina ny Lapan’ny Tanàna ireo mpandray anjara, avy eo niaraka nandihy sy nampihetsi-batana. Karazana dihy maro no nifanesy toy […]
Taratra
Bodybuilding: nodimandry i Bigman
Misaona tanteraka ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy, indrindra ny taranja Bodybuilding. Nodimandry, teo amin’ny faha-43 taonany, ny sabotsy 22 avrily lasa teo, Randrianarimanana John Mario, fantatry ny maro tamin’ny anarana hoe Bigman. Miangaly ny taranja bodybuilding izy ary tsisy tsy nahalala azy teo amin’ity taranja ity. Bokona hozatra nanana ny lazany […]
Rugby – « XXL Top 20 » : lavon’ny FTM ny Uscar
Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, ny fifaninanam-pirenena « XXL Top 20 », taranja rugby. Lavon’ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa 40 no ho 24, ny Uscar. Raha hiverenana ny lalao, hita nifandanja tsara ny fifanandrinan’ny roa tonta. Porofon’izany, tsy nahitana “essaie” nandritra ny 26 minitra nilalaovana teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, saingy […]
Orange Pro League: hiatrika “Playoff” ny Mama FC sy ny Disciples
Ny Mama FC sy ny Disciples FC no ekipa roa hanampy ireo klioba dimy efa tafita hiatrika ny “Playoff OPL 2023”, taranja baolina kitra. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny Mama FC sy ny Disciples FC, nandritra ny lalao nataon’izy ireo teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus […]
«Trophy Barthès U20»: nosakanan’i Tunisie ny lalan’ny Makis de Madagascar
Tapitra teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny dian’ny Makis de Madagascar, sokajy U20 eo amin’ny fiadiana ny «Trophy Barthès 2023 ». Nosakanan’i Tunisie ny lalan’ny Malagasy. Niondrika teo anatrehan’i Tunisie, tamin’ny isa mazava 50 no ho 10 ny Makis de Madagascar sokajy zandriny U20, teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, niadiana ny “Trophy Barthès”. […]




