Taratra

Ambohitrimanjaka : nisy ny fanaovana santa-bary

Nanatontosa ny Alaha­ma­dibe ihany koa ny teny Am­bo­hitrimanjaka. “Alahamadibe Ambonivohitra Ambohitri­man­jaka, Efa-dray Efa-dreny” no niantsoana azy. Ny Zana­drano mpitana fomba, niaraka tamin’ny fikambanana samihafa avy eny an-toerana no ni­karakara ny hetsika. Nam­pia­vaka ny teny Ambohitri­man­jaka ny fisian’ny santa-bary. Nandritra ny Alahama­dibe, nisy ny fanaovana ny santa-bary sy ny famerenan-kasina natao […]

Ravalomanana tany Sava : “Hiaraka hanova ny tantara isika…”

Nitohy tany Sambava sy Antalaha, ny hetsika fanentanana ny olom-pirenena, na­taon’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc ny faran’ny herinandro teo. “Hiaraka hanova ny tantara isika”, hoy izy. Nankasi­tra­hany ny fomba nandraisana azy ka mampihetsi-po ny mpanorina ny Tim. Notante­rahina tany an-toerana ny kongresim-paritra. Eo koa ny fanentanana ireo olona rehetra […]

ASS Fivoy : nizara ny traikefa Razafinjoelina Tahiana

Nihaona tamin’ny vahoa­kan’Ambositra, maherin’ny 1 300 any ho any, tao amin’ny Fark Md Josefa, ny mpitarika ny ASS Fivoy, Razafinjoelina Tahiana sy ireo mpanara-dia azy, ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fi­haonana sy famelabelaran-kavitra izany ny nangatahan’ny mompera mpitantana ny Radio Maria any Ambositra ny tokony hilatsahany ho kandidà amin’ny […]