Taratra

MMM sy ny fifidianana : “Tsy ho afa-bela ny Ceni raha mikiribiby eo…”

Nihaona tamin’ny vahoakan’Ambositra tao amin’ny Saha Mandrosoa, ny antoko Malagasy miara-miainga, ny sabotsy teo. Nitondra fanazavana momba ny raharaham-pirenena sy ny fitsinjaram-pahefana ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo tamin’izany. Anisan’ny nitondran’izy ireo ny heviny ny momba ny fifidianana. Natsinkafona tamin’izany ny fomba fiasan’ny Ceni, amin’ny fanomanana ny fifidianana. Nohitsiny fa betsaka […]

Filoha Rajoelina Andry: “Mitohy ny asa ary manakaiky vahoaka hatrany isika”

Nitokana fotodrafitrasa maromaro tany atsimo ny filoha Rajoelina, ny faran’ny herinandro teo. “Isaky ny tonga aty Ambovombe: fitokanana, fanombohana asa, fitoka­nana. Mitohy ny asa ary miasa ma­nakaiky vahoaka isika. Miahy ny vahoaka isika”, hoy izy, tany an-toerana. Nanteriny fa nimasoana nandritra ny efa-taona ny fametrahana ny fanjakana manakaiky vahoaka “Présence […]

Ny atao ihany no hampikorontana na tsia

Izay mitranga sy atao rehetra amin’izao, heverina sy tom­banana ho misy antony sy dika ary vokatra politika avokoa. Tandindomin’ny fifidianana? Mandeha avokoa ny kajikajy sy paipaika politika rehetra izao; eny, na samy tsy mbola nisy nanambara ampahibemaso na tamin’ny fomba ofisialy ny firotsahan-kofidiny ho filohan’ny Repoblika aza ny ankama­roan’izay fantatra […]

Lozam-pifamoivoizana : nandriaka ny ra, telo matin’ny moto

Indray mipi-maso dia any amin’ny varotsimifody ireto telo lahy, mpitondra moto. Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina roa samy hafa no nahafaty azy ireo, ny faran’ ny herinandro teo. Hatairana, ranomaso, hiakiakia, tabataba… Izany no nitsenan’ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ireo roa lahy matin’ ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra Ambodifasina. Tovolahy roa (mbola ao […]

RN4 : fiara nitondra razana nivadika

Nivadika teny ivelan’ny arabe ny fiara nitondra razana, niharan’ny fanakanan-dalana, tao Manerinerina, ana­tin’ny lalam-pirenena fahefatra, afakomaly. Avy any Mahajanga, nikasa hihazo an’Antananarivo ity fiara tra-doza tampoka ity. “Nisy nametraka hazo lehibe teo afovoan’ny lalana ka niezaka niala izany ny mpamily”, hoy ny fanazavan’ny kapiteny lehiben’ny zandary ao Ankazobe. Nivoaka ny […]