Hatramin’izao, misy hatrany ny tsy manaiky na tsy matoky ny fikarakaran’ny Ceni ny fifidianana. Hanao ahoana? Maneho ny heviny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Tsy hoe tenenina fotsiny ny tsy fahatokisana, fa mitarika andraikitra.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao […]
Taratra
Sokaf’hehy : mitohy ny fitrandrahana talenta vaovao
Tontosa, omaly, teny amin’ny Cercle -Germano Malagasy (CGM) Analakely, ny hetsika “Sokaf’hehy”. Fampisehoana hatsikana karakarain’ny Sandix, miaraka amin’ireo mpanao hatsikana, karazany Stand up. Manomboka fantatry ny olona ny karazana hatsikana Stand Up, ary mihamaro ny mpankafy sy mandray anjara amin’ny hetsika sahala amin’itony. Ity hetsika ity izay maimaimpoana tanteraka ary […]
Hira sy ny tontolony: hikopak’elatra i Rosemonde Diana
Tapaka ny heviny fa hanatevin-daharana ny mpanakanto malagasy! Rosemonde Diana, zanak’i Rosemonde “Kaiamba” (mihira sady mitendry). Rosemonde Diana, nanovo traikefa lehibe tany anivon’ny antoko mpihira. Ankoatra ny fananany feomanga sy matanjaka mahatakatra ny avo sy afaka midina ambany indrindra, manan-talenta sy nandalina ny sehatry ny fitendrena vatamaroafitsoka sy ny famoronana […]
Mozean’ny Saripika : haranty ny momba ny lamba
« Lohahevitra iombonan’ny Malagasy no nofidinay amin’ny alalan’ity fampirantiana momba ny lamba ity », hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Mozean’ny Saripika eny Anjohy Andohalo. Ranty hanomboka ny 22 avrily izao. Hisongadina amin’ireo saripika hiranty eny an-toerana ny fomba fampiasana ny lamba eny amin’ny fiarahamonina, manoloana ny lafiny tantara sy ny maha olona. […]
“Tango”: nifarana ny atrikasa nataon’ny Trio Buenos Aires
Mitohy hatrany ny ezaky ny Anac amin’ny fampiroboroboana ny haikanto samihafa eto Madagasikara. Anisan’izany izao fanafarana mpahay kanto matihanina avy any ampitan-dranomasina izao, hizara sy hitafatafa amin’ny mpahay kanto sy ireo taninketsan’ny haikanto malagasy. Nifarana, omaly, teny amin’ny Academie Nationale des Arts et de la Culture (Anac) Anosy, ny atrikasa […]




