Nahazo fandresena voalohany tamin’ny fifaninanana basikety “Mibala Tournament” ny Oniversite Cntemad Ankadifotsy. Lavon’ireo mpianatr’Ankadifotsy, tamin’ny isa 54 no ho 34, ny ESD, ho an’ny sokajy lehilahy. Fihaonana notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Araka ny lalao, nifandanja tsara ny roatonta nandritra ny fizaram-potoana voalohany (1ère / 2ème quart-temps), ka […]
Taratra
Kitra any Frantsa : 11 mirahalahy hiady ny «Prix Marc Vivien Foe 2023»
Ho fantatra amin’ny 30 mey ho avy izao ny anaran’ izay mpilalao handrombaka ny amboara «Prix Marc Vivien Foe 2023», taranja baolina kitra. Fifaninanana karakarain’ny France 24 sy ny Radio France International (RFI). Marihina fa natokana ho an’ ireo mpilalao afrikanina, milalao any Frantsa ao amin’ny “Ligue 1” ny “Prix […]
Rugby – «Trophy Barthes U20» : hiady toerana ho an’ny “Mondial” ny Makis de Madagascar
Hanainga, anio, hihazo an’i Kenya, ny Makis de Madagascar latsaky ny 20 taona, hiatrika ny fiadiana ny amboara “Trophy Barthes 2023”. 28 mirahalahy ireo hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Hanana ny lanjany lehibe ity fifaninanana ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany “Mondial 2023”, hatao any Kenya […]
Ankoay U19-Coach Mémé: « Mivoatra ny mpilalao malagasy fa mbola mila manatsara »
Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiofanana tanterahan’ny Ankoay U19, any Elan Chalon Frantsa, nanomboka ny 10 avrily lasa teo. Fanomanan-tena tapany faharoa hanomanana ny « World Cup U19 », hatao any Hongrie. Naneho ny heviny momba ny fanomanan-tenan’ ny Ankoay U19 hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany ny mpanazatran’izy ireo, […]
“Raharaha Apollo21” sy Nosy malagasy : ho avy eto ny minisitra frantsay, Catherine Colonna
Ho avy amin’ny faran’ny volana mey eto amintsika ny lehiben’ny diplaomasia frantsay, Catherine Colonna. Hihaona amin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry ny tenany amin’izany. Tsy azo ihodivirana ny hiresahan’ny roa tonta ny momba ny fanafahana ka hampodiana any Frantsa ireo terataniny mirahalahy, Philippe François sy Rafanoharana Paul, tazonina am-ponja eto amintsika. […]




