Tsy mampaninona na mitoriteny an-tany efitra aza sy hitatatata andro aman’alina eto, mba hampitsaharana ny endri-pahalovan’ny fiarahamonina malagasy, ankehitriny. Raha nivoy ny zava-panahy sy ny hasina maha olombelona isika tanaty andro maromaro izay, andao mba horesahana ny tontolon’ny fanabeazana. Anisan’ny sehatra iray tsy azo hamaivanina izany. Tsy maintsy homen-danja ary […]
Taratra
Vaviantitra novonoina : nofiraina antsy tamin’ny tendany
Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny renim-pianakaviana iray, tokony ho 71 taona. Notrobarana tamin’ny antsy ny tendany, mbola nahitana ratra ny tanany, omaly. Vono olona tsotr’izao! Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray efa lehibe monina ao amin’ny tanànan’Ambohindranady, anatin’ny fokontany Ambohimahatsinjo, Kaominina Manandroy, distrikan’Ambohimahasoa, omaly vao maraina. Hita faty […]
Itaosy: lehilahy maty voatsatok’antsy
Maty voatsatok’antsy teo amin’ny tendany ny lehilahy iray mpanao taxi-moto tetsy Itaosy, ny alatsinainy hariva teo. Ny harivan’io andro io, nitondra moto fampiasany isan’ andro ity lehilahy ity. Nahita azy anefa ireo tsy mataho-tody ka nanatsatoka antsy azy avy hatrany. Naratra mafy teo amin’ny tendany io mpitondra taxi-moto io. Niezaka nanavotra […]
Ambohitsiroa : mirongatra ny mpivarotra rongony
Tsy voafehy! Olona enina (mpivarotra sy mpifoka rongony) indray voasambotry ny polisy miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup), teny Ambohitsiroa Ambohidratrimo, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao ny polisy momba ny fisiana mpivarotra sy toerana fidorohana rongony eny amin’iny faritra Ambohitsiroa iny. Nanao ny vela-pandrika ka tratra teo am-pivarotana rongony ny lehilahy iray. Rehefa […]
Disadisa tao an-tokantrano : nidoboka eny Tsiafahy ilay rangahy nahafaty ny vadiny
Taorian’ny fampanoavana omaly, nidoboka eny Tsiafahy ny raim-pianakaviana iray nahafaty ny vadiny tetsy Alasora, ny faran’ny herinandro teo. Niatomboka tamin’ny fisian’ny fananana simba tao an-tokantrano ny disadisa teo amin’izy mivady, ny alahady teo. Niakatra ny hafanam-po teo amin’izy mivady. Nitady toaka ary nisotrosotro izany io raim-pianakaviana io. Tsy vitan’izay, nidoroka […]




