Taratra

Analakely : tratra ireo lehilahy efatra nikasa hamono

Tsy nahazaka toaka! Tra­tran’ny polisy avy ao amin’ny “3ème Compagnie urbaine d’intervention” (CUI) teny Analakely, ny alatsinainy ta­min’ny 11 ora sy 45 mn alina ireo lehilahy efatra, nitondra fiara 4×4. Mandrahona hamono hahafaty ireo olona mifanena aminy eny an-dalana ry zalahy ireto, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy. Tamin’io fotoana […]

Avaratr’Ankatso: mirongatra indray ny halatra moto

Nifanehatra tamin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo teny Avaratra Ankatso, omaly, ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny halatra moto. Nahazo fitarainana sy fitoriana avy amin’ireo olona mipetraka eny amin’ny manodidina an’Avaratra Ankatso ny polisy, nampahafantatra ny fahaverezana moto iray. Nandeha ny fikarohana nataon’ny polisy momba izany […]

Tratran’ny vela-pandrika… : voasambotry ny polisy ireo andian-jiolahy mpanafika Cash point

Noraisim-potsiny! Tratran’ny vela-pandriky ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Alasora (CSP) Alasora ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana Cash point amin’iny faritra iny… Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ireto andian-jiolahy malaza ratsy amin’ny fa­nafihana mitam-piadiana ire­to. Voarohirohy ho tompon’ antoka tamina fanafihana tompona Cash point iray mi­petraka eny Mahitsy Alasora ry zalahy […]

Fitsaram-bahoaka: olona roa matin’ny tora-bato sy vely kibay

Tao anatin’ny alina iray, olona roa indray namoy ny ainy niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray voatondro ho nangalatra tao An­kirihiry ny iray tamin’ ireo maty nodarohan’ny fokonolona, ny alin’ny sabotsy 15 avrily teo tao Toamasina. Voa­sambotra, tsy nisy alaharo ny an’ireo manodidina fa nidaroka niampy […]

Barea U20 : andrasana ny anaran’ireo mpilalao voafantina

Nifarana ny sabotsy 15 avrily lasa teo, teny amin’ny ivontoeram-piofanana eny Carion Manjakandriana, ny fifantenana voalohany ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar, sokajy U20. Andrasana, araka izany, ny anaran’ireo mpilalao men­drika ho voatazona. Hango­traka ny ady toerana eo amin’ ireo mpilalao satria samy sangany avokoa ireo niatrika izany. Raha […]