Taratra

Gazety boky- FES : horesena lahatra amin’ny politika ny tanora

Niaiky ireo mpiady hevitra sy namelabelatra fa tsy marisika eo amin’ny resaka politika ny tanora. Anton’ iza­ny ny zava-misy eto amin’ny firenena. Nambaran’ny talen’ny famoahana ny gazety boky “Politikà” sady mpanao gazety, Andriama­nambe Raoto fa eo ohatra ny fahadisoam-panantenana amin’ny fifidianana. “Hitondra vokatra inona eo amin’ny firenena raha handray anjara […]

Loholona Andrianandrasana: “Misy ny fepetra arahina…”

“Rehefa mipetraka ny fi­tondram-panjakana iray, anisan’ny andraikitra lehibe ny fampandriana fahalemana ny tany amin’ny lafiny rehetra. Tsy voatery ho asan-dahalo ihany izay fandriampahalemana izay. Eo amin’ny lafiny rehetra izany, adidy goavana iantsorohan’ny fitondram-panjakana”, hoy ny loholona Andria­nan­drasana Hajaniaina Tahina, manoloana ny filazana fa fihemoran’ny demokrasia ny tsy fahazoana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana, […]

Fanakantsakanana tetsy Amboditsiry: tsy faly amin’ny Freedom sasany Raholdina Naivo

Mbola resaka akanjo sy loko politika hatrany. Nane­ho ny tsy fahafaliany, manoloana ireo mpikambana sa­sany eo anivon’ny antoko Freedom ny depiote Rahol­dina Naivo, omaly. Tezitra mafy ity solombavambahoakan’ny boriborintany fahadimy ity, ny amin’ny ambarany fa fanilikilihana ny mpikambana TGV, miakanjo vonimboasary, miaraka aminy ta­min’ny fitokanana ny Mozea Rainilaiarivony. Nambarany fa […]

Ravalitera Jacques Michaël : “Torio ny Ceni raha mandika lalàna”

Nitondra fanazavana manoloana ny tsikera mivaivay mahazo azy ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny momba ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, nahabe resaka tato ho ato. “Azo sazina ny Ceni raha mandika lalàna, fa tsy resahina fotsiny hoe tsy mety ny ataony. Tsy midika fankahalana izany, fa mi­fampiresaka sy mifampitaiza. Torio […]