Taratra

Fiofanan’ny mpivarotra hani-masaka: hanara-maso ny fampiharana ny kaominina Antananarivo Renivohitra

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fizarana ny «certificat» ho an’ireo mpivarotra hani-masaka nahavita fiofanana momba ireo paikady amin’ny fandrahoana sakafo, niarahana tamin’ny Institut National de Tourisme et d’Hôtellerie (INTH). Nisy koa fiofanana momba ny vonjy taitra sy ny fisorohana tranga firehetana, niarahana tamin’ny sampana […]

Alternatives Madagascar: hamoraina ny adisisika fiarovana ny zon’olombelona

Hamoraina ny adisisika ataon’ny fiarahamonim-pirenena eny anivon’ny fitondram-panjakana sy eny anivon’ ireo vondrom-bahoaka ary ireo manam-pahefana. Mba handraisana andraikitra amin’ ny fiarovana ny zon’olombelona, raha ny nambaran’ny Alternatives Madagascar. Nikarakara fiofanana mikasika ny “Advocacy Leadership Institute” (ALI), tetsy Antani­narenina, izy ireo. Niarahana tamin’ireo fiarahamonim-pirenena misehatra ao anatin’ny fiarovana ny zon’olombelona. […]

ONG Jhpiego: “Manan-danja ny asan’ny mpampivelona sy ny infirmier”

15 taona niasana teto Madagasikara ny Jhpiego, fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamam-bahoaka, miara-miasa amin’ny Universite Johns Hopkins, oniversite lehibe maneran-tany. Mifototra hatrany amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny asa sahanin’izy ireo, anatin’ny firenena155 ka anisany ny eto amintsika. Mitondra paikady vaovao hisorohana ny fahafatesan’ny reny sy ny fianakaviana ny […]

Oniversite Ankatso: haverina ny hetsika ara-kolontsaina

Mikarakara hetsika ara-javakanto ho an’ny rehetra ny mpianatra mpikambana ao anatin’ny Association des Médiathèques Culturelles na ADMC eny Ankatso. Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny hetsika ara-koltoraly eny amin’ny Oniversiten’An­katso sy fampirisihana ny mpianatra eny hirotsaka eo amin’izany sehatra izany. Efa nisy ny hetsika natao ny alarobia lasa teo hisarihana ireo […]

A.Edi. M : Andiany faha-17 ny « Tsenam-boky »

«Ampitao amin’ny taranaka ny fahalalana. Vakio ny boky». Io ny lohahevitry ny «Tsenam-boky», andiany faha-17. Hetsika karakarain’ny «Association des Editeurs de Madagascar» (A.Edi.M), ny 17 avrily ka hatramin’ny 21 avrily izao, eo amin’ny zaridaina Ortana Antaninarenina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny lalana sy fanentanana momba ny tontolon’ny boky. Tafatafa amin’ny […]